dimanche 7 mai 2017

Alahady 07 May 2017 - Dan 2 : 13 - 23

 13Dia navoaka ny didy mampamono ho faty ireo olon-kendry; ary notadiavina koa i Daniela sy ny namany mba hovonoina ho faty.

14Ary niainga tokoa i Ariôka, lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, mba hamono ho faty ireo olon-kendrin'i Babilôna. Kanefa teny feno fahamalinana sy fahendrena no nasetrin'i Daniela an'i Ariôka; 15nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan'ny mpanjaka i Ariôka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra. 16Avy eo nankany amin'ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny.

17Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an'i Hananià sy i Misaela ary i Hazarià namany ny toe-javatra; 18ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon'ilay Andriamanitry ny lanitra* momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin'ireo olon-kendrin'i Babilôna sisa i Daniela sy ny namany. 19Ary naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra izy. 20Dia niteny i Daniela ka nanao hoe:

«Hisaorana anie ny anaran'Andriamanitra
hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay,
satria Azy ny fahendrena sy ny hery!
21Izy no tompon'ny fotoana sy ny tantara;
Izy no manonga-mpanjaka sy mananga-mpanjaka;
Izy no manome ny fahendrena ho an'ny hendry
ary ny fahaiza-manavaka ho an'ny mahira-tsaina.
22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina
sady mahalala izay misy ao amin'ny maizina,
satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.
23Misaotra sy midera Anao aho,
ry Andriamanitry ny razako ô,
satria nomenao fahendrena sy hery.
Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy
izay zavatra nangatahinay taminao,
ka nambaranao anay ilay nofin'ny mpanjaka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12