1Amin'izay ny Fanjakàn'ny lanitra* dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra. 2Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry. 3Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; 4fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin'ny tavoahangin-tsolika. 5Andrasana ela ny fiavian'ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.
6Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!» 7Tamin'izay dia samy niarina avokoa ireo tovovavy ary samy namboatra ny fanalany. 8Ka hoy ireo adala tamin'ny hendry: «Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay.» 9Dia novalian'ny hendry hoe: «Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra ianareo mividy ho anareo.» 10Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin'ny mpampakatra tao amin'ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana. 11Taorian'izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: «Tompoko, tompoko, vohay izahay!» 12Fa novalian'ny mpampakatra hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.»
13Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.