samedi 20 avril 2019

Sabotsy 20 Aprily 2019 - Jod 3 - 7

3Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. 4Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.

5Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino, 6ary ny anjely izay tsy nitana ny fiamboniana nomena azy fa nandao ny fonenany, dia tazonin’ny Tompo am-patorana mandrakizay ao anaty haizina mandra-pahatongan’ny andro lehibe hanamelohana azy; 7toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12