jeudi 4 avril 2019

Alakamisy 04 Aprily 2019 - Asa 13 : 1 - 12

1Nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao amin’ny Fiangonana tany Antiôkia: dia i Barnabà, i Simehôna (izay atao hoe Imainty), i Losio avy any Sirena, i Manahema (izay niolo-nono sy niara-nilalao tamin’i Herôda mpanjaka) ary i Saoly. 2Indray andro raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sady nifady hanina ny iray Fiangonana, dia hoy ny Fanahy Masina:
–Atokàny ho Ahy i Barnabà mbamin’i Saoly hanao ny asa izay niantsoako azy.

3Tamin’izay, rehefa nifady hanina sy nivavaka ny iray Fiangonana, dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy ary nandefa azy.

4Nirahin’ny Fanahy Masina àry i Barnabà mbamin’i Saoly ka dia nankany Seleosia ary niondrana an-tsambo tao ho any amin’ny nosy Sipra. 5Tonga tao Salamîna izy roa lahy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra eran’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy, ary nentiny koa i Jôhany Marka ho mpanampy.

6Namakivaky ny nosy manontolo izy roa lahy mandra-pahatongany tany Pafo. Tao no nahitany mpanao majika atao hoe Barjesoa, lehilahy nihambo ho mpaminany. 7Io Barjesoa io dia niara-nitoetra tamin’i Serzy Paoly, izay governoran’ny nosy Sipra sady lehilahy hendry. Nampiantso an’i Barnabà mbamin’i Saoly ilay governora satria naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra. 8Fa nanohitra azy roa lahy kosa i Barjesoa Elimà, ilay mpanao majîka (fa izany no dikan’ny anarana hoe Elimà), ka nitady hampiverina ilalana an’ilay governora tsy hirosoany amin’ny finoana. 9Tamin’izay i Saoly, atao koa hoe Paoly, dia tonga feno Fanahy Masina ka nibanjina an’i Elimà 10sady nanao hoe:

–Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao? 11Ankehitriny, indro hasian’ny tanan’ny Tompo ianao ka ho jamba tsy hahita ny fahazavan’ny masoandro mandritra ny fotoana voafetra.

Niaraka tamin’izay dia sarona haizina ny mason’i Elimà, ka niraparapa izy nitady olona hitantana azy. 12Nony nahita ny zava-nitranga ilay governora, dia tonga mpino sady talanjona fatratra tamin’ny fampianarana momba ny Tompo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12