1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazany ilay vatobe fa voakodia lavitry ny vavafasana; 3nefa nony niditra izy ireo, dia tsy nahita ny vatan’i Jesoa Tompo. 4Raha mbola very hevitra ny amin’izany teo ireto vehivavy, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana manelatrelatra niseho taminy. 5Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy:
–Nahoana no atỳ amin’ny toeran’ny maty no itadiavanareo ny velona? 6Tsy eto Izy, fa efa nitsangana velona. Tsarovy ny voalazany taminareo, fony Izy mbola tany Galilea, hoe: 7«Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.»
8Izay ireto vehivavy vao nahatsiaro ny tenin’i Jesoa, 9ka niverina avy tany amin’ny fasana ary nitantara izany rehetra izany tamin’ny 11 lahy sy ny namany rehetra: 10ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdalà sy i Jôhanina ary koa i Maria renin’i Jakôba; ireo vehivavy niaraka tamin’izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin’ny apôstôly. 11Saingy noheverin’ny apôstôly ho arirarira foana ny tenin’izy rehetra ka tsy ninoany. 12Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin’ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan’i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin’ny zava-nitranga.