mardi 2 avril 2019

Talata 02 Aprily 2019 - Mar 12 : 1 - 12

1Ary dia fanoharana indray no nitenenan’i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, ka hoy Izy:
–Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa. 2Nony tonga ny taom-piotazana, dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly handray ny ampaham-bokatry ny tanimboaloboka. 3Fa nosamborin’ireo ilay mpiasa dia nokapohiny ary nalefany nody maina. 4Dia nanirahany mpiasa iray hafa indray ireo mpamboly; fa io koa nokapohin’ireo ny lohany sady nalany baràka. 5Dia mbola nanirahany iray hafa indray; fa io kosa novonoiny ho faty. Ary nisy mpiasa maro hafa koa nirahiny, fa ny sasany nokapohin-dry zareo, ary ny sasany novonoiny ho faty. 6Olona iray sisa teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka hoe: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!» 7Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.» 8Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.

9Dia nofaranan’i Jesoa hoe:
–Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa. 10Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe:

«Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no nanjary vato fehizoro;
11Avy amin’ny Tompo izao,
ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika»?

12Ary nitady hisambotra an’i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan’izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12