1Nony tonga ny andro Pentekôsta, dia tafangona teo amin’io efitrano io ihany ny mpino rehetra. 2Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany. 3Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho tamin’ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin’ny tsirairay avy. 4Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan’ny Fanahy azy avy.
5Tamin’izay dia nisy Jiosy mpivavaka tsara, zanaka am-pielezana avy tamin’ny firenen-tsamihafa ambanin’ny lanitra, tafatoetra tao Jerosalema. 6Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy. 7Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe:
–Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo? 8Ka ahoana no andrenesantsika tsirairay avy ny fiteny manokana nahabe antsika? 9Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia, 10Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin’ny faritanin’i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma; 11ao ny Jiosy, ary ao ny hafa firenena mpanaraka ny fivavahana jiosy; mbola misy koa ny avy any Kreta sy Arabia; kanefa dia rentsika izy ireo milaza, amin’ny fitenintsika avy, ny zava-dehibe ataon’Andriamanitra?
12Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe:
–Inona re no hevitr’izao?
13Ny sasany anefa naneso ka nanao hoe:
–Mamon-divay vaovao ry zareo!