jeudi 27 juin 2019

Alakamisy 27 Jona 2019 - Efe 5 : 8 - 21

8Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. 11Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon’ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

«Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty,
dia hampahazava anao i Kristy.»

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo. 20Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.


21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an’i Kristy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12