1Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny. 2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy, 3dia nanao izao tononkalo izao:
«Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra,
teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4sady mandre ny tenin’Andriamanitra
no mahita izay asehon’ilay Tsitoha,
rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy
ka tonga mahiratra fijery.
5«Akory ny hatsàran’ny lainareo,
ry taranak’i Jakôba;
endrey ny hasoan’ny fonenanareo,
ry vahoaka Israelita!
6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,
mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera
nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,
7mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana
ka manondraka tsara ny saha voafafy.
Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita
ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta
izany vahoaka izany,
ka manan-kery tsy hay tohaina
tahaka ny an’ny omby dia.
Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,
ka manapatapaka ny taolany
sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.
9Mamita-mandry toy ny liona
na tahakan’ny bibidia masiaka izy,
koa zovy no sahy hanaitra azy?
«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,
ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»