1Nony niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy:
–Mpampianatra ô, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra!
2Dia hoy i Jesoa taminy:
–Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.
3Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Analanôliva tandrifin’ny tempoly i Jesoa, dia nanontany Azy manokana i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany sy i Andrea nanao hoe:
4–Lazao anay: oviana no hahatongavan’izany ary inona no famantarana fa hoe madiva ho tonga ny fiafaran’ireo rehetra ireo?
5Ka hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 6Maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia»; ary maro ny olona ho voafitany. 7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany. 8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.
9Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly. 11Rehefa hoentina hatolotra amin’ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina.