lundi 1 juillet 2019

Alatsinainy 01 Jolay 2019 - Sal 139 : 1 - 12

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

TOMPO ô, nandinika ahy Ianao
ka fantatrao avokoa ny momba ahy.
2Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.
3Voadinikao aho na mamindra na miato;
ary tsy misy miafina aminao ny làlan-kalehako.
4Tsy mbola eo am-bavako akory ny teny holazaiko,
dia indro efa fantatrao avokoa, TOMPO ô.
5Voambombanao aho na eo aloha na eo ivoho;
ny fiarovanao no apetrakao amiko.
6Mahagaga loatra amiko ny fahalalànao ahy;
avo tokoa izany, ka tsy takatro velively.

7Aiza no hialàko lavitra ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8Raha miakatra any an-danitra aho, any Ianao;
mandry any amin’ny toeran’ny maty aho, io koa Ianao.
9Raha maka ny elatry ny mazavatsinanana aho
na lasa honina any am-paran’ny ranomasina,
10dia mbola ny fiarovanao no mitondra ahy any
ary mbola ny herinao koa no mihazona ahy.
11Ka hoy aho hoe: «Aoka ny haizina hanarona ahy!
Aoka ny hazavana manodidina ahy hanjary alina!»
12Na ny haizina aza tsy maizina aminao,
ary ny alina koa dia mazava toy ny andro:
ny haizina dia toy ny hazavana ihany!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12