19Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka:
–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.
21Fa hoy ny vahoaka tamin’i Josoa:
–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.
22Dia hoy indray i Josoa tamin’ny vahoaka:
–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.
Ka novalian’ny vahoaka hoe:
–Eny, vavolombelon’izany izahay!
23Dia nofaranan’i Josoa hoe:
–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO
Andriamanitr’Israely ny fonareo.
24Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.
25Tamin’izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin’ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika. 26Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin’ny TOMPO.
27Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra:
–Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!
28Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.