mercredi 25 septembre 2019

Alarobia 25 Septambra 2019 - I Kor 6 : 1 - 11

1Raha misy aminareo manana fifanolanana amin’ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin’ny olona tsy mpino fa tsy amin’ny vahoakan’Andriamanitra? 2Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan’Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan’ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan’ny samy kristianina? 6Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan’ny tsy mpino?

7Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany. 9Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin’olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy, 10na ny mpangalatra, na ny mpitia harena, na ny mpidoroka, na ny mpanendrikendrika, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 11Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin’ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an’Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ilay Andriamanitsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12