vendredi 6 mars 2020
Zoma 06 Martsa 2020 - Asa 26 : 19 - 23
19Ary amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra. 20Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny. 21Izany no nisamboran’ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan’ny tempoly aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin’ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Israely sy amin’ny hafa firenena.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
14Izao manko no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: «Tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, dia nihevitra hahatonga loz...