dimanche 15 mars 2020
Alahady 15 Martsa 2020 - Asa 11 : 19 - 21
19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian’ny namonoana an’i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin’Andriamanitra afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin’ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompo. 21Nombàn’ny herin’ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin’ny Tompo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...