11Dia hoy indray i Jesoa:
–Nanan-janaka mirahalahy ity lehilahy anankiray. 12Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: «Omeo ahy, ry dada, ny anjara fananana tandrify ahy.» Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. 13Nony afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka nandanilany foana ny fananany tamin’ny filibàna. 14Rehefa tapitra avokoa izay teo am-pelatanany, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ary tsy nanan-koraisina intsony ny anao. 15Lasa izy niasa tamin’ny tompon-tany anankiray ka nalefan’ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany. 16Satrin’ity zatovo hameno kibo amin’ny voan-javatra fihinan’ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy. 17Izay vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: «Ireo mpikaraman’i dada rehetra any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary atỳ! 18Ndeha hody any amin’i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho, 19ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao; fa mba ataovy toy ny anankiray amin’ny mpikaramanao aho!» 20Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy.
Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. 21Dia hoy ity zanany taminy: «Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!» 22Fa hoy kosa irainy tamin’ireo mpiasa: «Ento atỳ faingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio kapa ny tongony. 23Alaovy ilay zanak’omby mifahy ka vonoy; ary aoka isika hanao fihinanam-be, 24satria ity zanako ity: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray!» Dia nanomboka ny fihinanam-be aman-korana izy rehetra.