samedi 25 avril 2020
Sabotsy 25 Aprily 2020 - Gal 2 : 19 - 21
19Fa izaho, dia tamin’ny alalan’ny lalàna no nahafatesako raha ny amin’ny lalàna mba hahavelomako ho an’Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana aho; 20ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21tsy ataoko very maina ny fahasoavan’Andriamanitra! Eny, raha ny lalàna no mahatonga ho marina eo imason’Andriamanitra, dia maty tsy amin’antony i Kristy.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...