7Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo,
nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory,
tahaka ny zanakondry entina hovonoina
sy tahaka ny ondrivavy
eo anatrehan’ny manety azy.
Eny, tsy niloa-bava akory izy.
8Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;
ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy,
iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy.
Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy;
ary ny heloky ny mpiray firenena aminy
no nikapohana azy ho faty?
9Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy
izany Mpanompon’ny Tompo izany;
kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy,
satria tsy nanao ratsy akory izy
ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.
10Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony
ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana.
Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy,
dia hahita taranaka sy ho ela velona;
ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo
no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.
11«Niaritra fahoriana mafy ny Mpanompoko, hoy ny TOMPO,
ka dia hahita ny taranaka sy ho lava andro iainana.
Ho fantatry ny olona fa marina io Mpanompoko io;
ka dia Izy no hahatonga ny besinimaro ho marina,
satria ny tenany no mivesatra ny helok’ireo.
12Noho izany, dia homeko anjara lova
eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy
ka olona alikisa no hataony babo,
satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty
sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy;
eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro
ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»