11TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao
kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory.
Aoka ho menatra izy raha mahita
ny zotomponao hiaro ny vahoakanao;
eny, aoka handevona azy ny afo
izay natokanao ho an’ny fahavalonao!
12TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana
ary Ianao koa no mahatomombana ho anay
ny asa rehetra nataonay.
13Ry TOMPO Andriamanitray ô,
tompo maro no efa notompoinay talohanao;
nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.
14Ny maty tsy ho velona intsony
ary ny matoatoa tsy hitsangana koa;
fa efa nirotsaka handringana azy Ianao
ka nolevoninao mbamin’ny fahatsiarovana azy.
15TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay,
ary izany no nahazoanao voninahitra;
eny, nampitomboinao ny firenenay
ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.
16TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay,
dia nitady Anao tokoa;
ary niantso vonjy taminao izahay,
rehefa voaterin’ny famaizanao.
17Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka
ka miolanolana sy mitaraina mafy,
dia toy izany izahay
teo anatrehanao, TOMPO ô.
18Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka
sy efa nihetsi-jaza hiteraka,
nefa tahaka ny zava-poana no naterakay.
Tsy nahay nitondra fanafahana
ho an’ny tany izahay,
tsy nahay nitondra mponina vaovao
ho an’izao tontolo izao.
19Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko,
ary hitsangana ny fatiny.
Hifoha sy hanao hobim-pifaliana
ireo matory ao amin’ny vovo-tany,
fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao
ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.