31Rehefa tapitra ny fetr’andro, izaho Nebokadnetsara dia niandrandra ny lanitra; ka nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra Izay velona mandrakizay aho, ary nidera sy nankalaza Azy fa ny fanapahany dia maharitra mandrakizay ary ny fanjakany dia mihatra amin’ny taranaka mifandimby. 32Ny mponina rehetra etỳ an-tany dia tsinontsinona ihany eo anoloany; araka izay sitrapony no ataony amin’ny anjely any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany; tsy misy afaka manohitra ny fahefàny na manome tsiny azy amin’izay ataony.
33Tamin’izay fotoana izay dia nody tamiko tokoa ny saiko; ary mba ho voninahitry ny fanjakako, dia naverina tamiko ihany koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako. Nitady ahy ireo mpanolotsaiko sy ireo olo-manan-kajako; ary naverina teo amin’ny fahefàm-panjakako aho, ka haja mihoa-pampana no natolotra ahy. 34Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.