1Tamin’izay dia niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany i Jesoa 2nanao hoe:
–Nomena fahefana hivaofy ny lalànan’i Mosesy ny mpahay lalàna sy ny Farisianina. 3Koa amin’izany, ataovy sy araho izay rehetra lazainy; fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny ry zareo fa tsy manao. 4Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany. 5Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin’ny lalàna fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin’ny lambany. 6Ny ankamamiany dia ny maka ny toeram-boninahitra amin’ny fanasana sy ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga 7ary ny arahabaina eny an-kianja sy ny antsoin’ny olona hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra. 8Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra. 9Ary aza miantso olona etỳ an-tany hoe «Rainareo» fa iray ihany no Rainareo, dia Ilay any an-danitra. 10Ary aza mba mety hantsoina hoe «Mpitarika» fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia ny Mesia. 11Izay lehibe kokoa aminareo no ho mpanomponareo. 12Fa izay hanandra-tena dia haetry; ary izay hanetry tena dia hasandratra.