32Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô,
lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao,
ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao.
Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao
ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo
dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay,
ny mpisoronay sy mpaminaninay,
ary ny razanay mbamin’ny tenanay,
manomboka tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria
ka mandrak’izao andro anio izao!
33Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay;
satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.
34Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay
ary ny mpisoronay sy ny razanay
dia samy tsy nanatanteraka ny lalànao,
ary tsy niraharaha ny didinao
sy ny fananarana nataonao taminy.
35Teo amin’ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakàny
ary teo amin’ny tany malalaka sy lonaka
natolotrao ho eo anoloany,
dia tsy nanompo Anao ireo
sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony.
36Ankehitriny dia indreto andevozina izahay
eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay
hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.
37Vokatra marobe tokoa no aterak’ity tany ity
kanefa lasan’ireo mpanjaka izay notendrenao
hanapaka anay noho ny fahotanay;
eny, manapaka ny tenanay sy biby fiompinay
araka izay itiavany azy izy,
ka ozoim-pahoriana mafy izahay!