30Ary nivoady tamin’ny TOMPO i Jiftà ka nanao hoe:
–Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamônita, 31dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.
32Dia nihoatra ny sisin-tanin’ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo. 33Nandresy azy i Jiftà, ka nahazo ny tanàna roapolo teo anelanelan’i Harôhera sy ny manodidina an’i Minita ary hatrany Abela-Keramima. Faharesena goavana ny an’ny Hamônita, ka dia nilefitra teo anoloan’ny Israelita izy.
34Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy. 35Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe:
–Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.
36Fa namaly azy ny zanany vavy hoe:
–Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao. 37Nefa na izany aza, dia mba omeo fe-potoana roa volana aho hankanesako eny an-tendrombohitra miaraka amin’ny namako mba hitomaniako ny tenako tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.
38Dia nomen’i Jiftà lalana handeha mandritra ny roa volana izy. Koa nandeha izy sy ireo namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho ny tenany tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory. 39Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao: 40Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.