mercredi 19 octobre 2022

Alarobia 19 Oktobra 2022 - Mal 3 : 13 - 24

 13Hoy ny TOMPO hoe: «Mafy loatra ny teny amelezanareo Ahy; nefa manontany ianareo hoe: ‹Inona no resaka nifanaovanay hamelezana Anao?› 14Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory. 15Ankehitriny dia ny mpirehaka no tokony hataonay hoe sambatra ary ny olon-dratsy no tokony hataonay hoe ambinina. Eny, fa na dia maka fanahy an’Andriamanitra aza ireo, dia afaka hatrany!› »

16Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany. 17Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe:

–Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy. 18Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. 19Fa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin’io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany. 20Fa ho an’izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin’ny tànany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mivoaka ny vala. 21Amin’io andro izay hotendreko io, dia hohitsakitsahinareo ny olon-dratsy ka ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.»

22«Tsarovy ny lalànan’i Mosesy mpanompoko, dia ny didy amam-pitsipika izay nomeko azy tao Hôreba ho an’ny Israelita rehetra.

23«Fa alohan’ny hiavian’ny andron’ny TOMPO, ilay andro lehibe sady mahatahotra, dia haniraka an’i Elià mpaminany ho aminareo Aho. 24Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy; amin’izay Aho dia tsy ho avy hamely ny tany amin’ny fandringanana.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12