lundi 17 octobre 2022

Alatsinainy 17 Oktobra 2022 - Deo 6 : 10 - 19

 10Rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homeny anareo, 11dia hahita tanàna lehibe sady tsara izay tsy ianareo no nanorina azy, sy lavaka famorian-drano izay tsy ianareo no nandavaka azy, ary saham-boaloboka aman’ôliva izay tsy ianareo no namboly azy; ka hihinana sy hivoky ianareo. 12Amin’izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo. 13Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo. 14Aza manaraka andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny, 15satria Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy ilay TOMPO Andriamanitrareo Izay eo afovoanareo. Koa tandremo fandrao hirehitra aminareo ny fahatezeran’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hofongorany tsy ho eto ambonin’ny tany ianareo. 16Aza maka fanahy ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ny nataonareo tany Masà. 17Tandremo tsara ny didy sy baiko aman-dalàna izay efa nampitain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo. 18Tanteraho izay mahitsy sady tsara eo imason’ny TOMPO mba ho sambatra ianareo sy hiditra hahazo ny tany soa izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo; 19ary dia horoahinareo lavitra anareo avokoa ny fahavalonareo, araka izay voalazan’ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12