14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.
16Dia namaly ny vahoaka nanao hoe:
–Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa! 17Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny. 18IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin’ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.
19Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka:
–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.
21Fa hoy ny vahoaka tamin’i Josoa:
–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.
22Dia hoy indray i Josoa tamin’ny vahoaka:
–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.
Ka novalian’ny vahoaka hoe:
–Eny, vavolombelon’izany izahay!
23Dia nofaranan’i Josoa hoe:
–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo.
24Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hanka