1Aoka ho fantatrao fa any am-parany any dia hisy fotoana sarotra; 2satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina, 3tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara, 4ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra, 5hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny! 6Fa isan’ireny izay misokosoko miditra an-tranon’olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilàna maro, 7vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana. 8Tahaka ny nanoheran-dry i Janà sy i Jambrà an’i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka. 9Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny.