1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: 2«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo? 3Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian’ondry ianareo, fa naka ny ronono ho sakafonareo sy ny volon’ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy. 4Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin’ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin’ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo. 5Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin’ny bibidia. 6Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny havoana; ary niparitaka teny amin’ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy. 7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko: 8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian’ondriko ka lasan’ny mpangalatra sy zary rembin’ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely. 10Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin’ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.