9Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy,
kanefa ny tenany dia siny tanimanga
toy ny siny tanimanga rehetra ihany!
Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe:
«Inona ity ataonao?»
na ny asa vitany hanao aminy hoe:
«Tsy mahay ianao45.9 Jereo Rm 9.20.!»
10Lozan’izay sahy milaza amin’ny rainy hoe:
«Inona ity naterakao?»
na sahy miteny amin’ny reniny hoe:
«Inona ity naloaky ny kibonao?»
11Izao kosa no lazain’ny TOMPO,
dia ilay Masin’i Israely sady mpamorona azy:
«Izaho ve no anontanianareo
ny amin’ireo zanako
sy homenareo baiko
ny amin’izay tokony hataoko?
12Izaho no nanao ny tany
sy nahary ny olona monina eo amboniny.
Izaho no nanenjana ny lanitra tamin’ny tanako
sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra45.12 Jereo 41.2 sy nta..
13Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io
mba hitondra fanafahana
ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra.
Izy no hanangana indray
an’i Jerosalema tanànako
sy handefa ny oloko izay babo,
nefa tsy hampandoa vola na tamby,
hoy aho TOMPOn’izao rehetra izao.»