samedi 7 janvier 2023

Sabotsy 07 Janoary 2023 - Gen 1 : 26 - 28

 26Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany!»

27Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy1.27 mitovy endrika aminy: ampit Gen 5.1-2; 9.6; 1Kôr 11.7. –lehilahy sy vehivavy: jereo Mt 19.4; Mk 10.6. no nahariany azy.

28Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.» 

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12