Affichage des articles dont le libellé est Mamboly ny firaisantsaina ny marina. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mamboly ny firaisantsaina ny marina. Afficher tous les articles

vendredi 31 août 2012

Zoma 31 Aogositra 2012 - Asa 11 : 12 - 14


12 Dia nitenenan'ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon'i Kornely izahay. 13 Dia notantarain'i Kornely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: Maniraha lehilahy any Jopa haka an'i Simona, izay antsoina koa hoe Petera.
14 Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.

jeudi 30 août 2012

Alakamisy 30 Aogositra 2012 - Jao 21 : 1 - 14


1 Tamin'izany, dia niseho tamin'ny mpianany indray i Jesoa teo amoron'ny farihin'i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany. 2 Tafaraka i Simona Petera, sy i Toma ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kana any Galilea, mbamin'ireo zanakalahin'i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy i Simona Petera tamin'izy enin-dahy: Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory. 4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nijoro teo amorom-parihy i Jesoa, kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. 5 Dia hoy i Jesoa taminy: Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka? Ka novalian'ireo hoe: Tsia! 6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo. Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro. 7 Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera: Ny Tompo io! Vao ren'i Simona Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano. 8 Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo. 9 Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo. 10 Ka hoy i Jesoa taminy: Itondray trondro amin'ireo vao azonareo teo. 11 Dia niakatra tao an-tsambokely i Simona Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato. 12 Ary hoy i Jesoa tamin'izy fito lahy: Avia hisakafo! Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?, satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Ary nanatona i Jesoa dia nandray ny mofo ka natolony azy ireo; ary nataony toy izany koa ny trondro. 14 Izany no fisehoan'i Jesoa fanintelony tamin'ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin'ny maty.

mercredi 29 août 2012

Alarobia 29 Aogositra 2012 - Gen 22 : 7 - 8


7 dia hoy i Itsehaka tamin'i Abrahama rainy: -Dada o! Ka novaliany hoe: -Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehaka hoe: -Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo? 8 Fa namaly azy i Abrahama hoe: -Andriamanitra no hahita izay zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.

mardi 28 août 2012

Talata 28 Aogositra 2012 - Rom 15 : 1 - 6


1 Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. 2 Samia isika manao izay mahafaly ny namantsika amin'izay mahasoa ka mampiorina azy amin'ny finoana. 3 Satria i Kristy koa tsy nikatsaka izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. 4 Eny, izay rehetra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin'ny Soratra Masina. 5 Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa. 6 Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.

lundi 27 août 2012

Alatsinainy 27 Aogositra 2012 - Jer 32 : 36 - 41

36. Ankehitriny anefa, na eo aza izany, IzahoTOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanana ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana . 37. Indro ny mponin'ity tanana ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38. Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39. Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40. Hanao fanekem-pihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.
41. Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

dimanche 26 août 2012

Alahady 26 Aogositra 2012 - I Tan 12 : 38 - 40

38. Tamin'ireo teny ampita atsinanan'i Jordana, izany hoe tamin'ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase, dia nisy 120000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany. 39. Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrona tamin'ny fony manontolo mba hampanjaka an'i Davida amin'i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fomba hampanjaka an'i Davida. 40. Dia nijanona telo andro tao Hebrona niaraka tamin'i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin'ireo havany ho azy.

samedi 25 août 2012

Sabotsy 25 Aogositra 2012 - I Kor 14 : 12 - 19

12 Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be. 13 Noho izany, izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia aoka hangataka amin'Andriamanitra mba ho afaka hanazava izany koa. 14 Raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra manko aho, dia ny fanahiko no hany mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko. 15 Ahoana ary no hataoko? Hivavaka amin'ny fanahiko aho no sady hivavaka amin'ny saiko ihany koa; hihira amin'ny fanahiko aho no sady hihira amin'ny saiko ihany koa. 16 Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an'Andriamanitra, hataon'izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly Amen ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao. 17 Raha ianao, dia vavaka fisaorana kanto no vitanao, fa ny hafa kosa tsy nampandrosoinao amin'ny finoana. 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra. 19 Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin'ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin'ny fiteny tsy fantatra.

vendredi 24 août 2012

Zoma 24 Aogositra 2012 - Asa 9 : 26 - 23


26 Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin'ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan'ny mpianatra. 27 Nalain'i Barnaba kosa i Saoly ka nentiny teo amin'ny apostoly; dia teo anatrehan'ny apostoly no nitantaran'i Barnaba ny fomba nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon'ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian'i Saoly nitoriteny tamin'ny anaran'i Jesoa tany Damasy. 28 Izay vao afa-nifanerasera tamin'ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin'ny anaran'ny Tompo. 29 Niresahan'i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin'ireo hovonoina izy. 30 Nony fantatr'ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodiny nankany Tarsa. 31 Nandry feizay ny Fiangonana manerana an'i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin'ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan'ny Fanahy Masina.

jeudi 23 août 2012

Alakamisy 23 Aogositra 2012 - Alakamisy Fil 2 : 1 - 4


1 Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin'i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin'ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo. 2 Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin'ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina; 3 aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filan-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena. 4 Aza dia samy mihevitra ny soa ho an'ny tena ihany, fa ny ho an'ny namana koa.

mercredi 22 août 2012

Alarobia 22 Aogositra 2012 - Heb 10 : 19 - 25


19 Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20 Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21 Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22 koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23 Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24 Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

mardi 21 août 2012

Talata 21 Aogositra 2012 - Sal 132 : 1 - 3


1. Hira fiakarana. TOMPO o, ny zavatra rehetra niaretan'i Davida dia mba tsarovy hanasoavanao azy. 2. Tsarovy fa taminao, TOMPO o, no nanaovany fianianana; taminao, ry ilay Maherin'i Jakoba, no nanaovany voady hoe: 3. ''Tsy hiditra ny tranolay fonenako aho na hiakatra ny farafara fandriako,

lundi 20 août 2012

Alatsinainy 20 Aogositra 2012 - Sal 34 : 1 - 3


1. Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. 
ALEFA
2. Hisaotra ny TOMPO lalandava aho ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.
BETA
3. Ny TOMPO no reharehako; koa mifalia, ry mpandefitra, rehefa mandre ny fiderako Azy.

dimanche 19 août 2012

Alahady 19 Aogositra 2012 - Jao 17 : 20 - 26


20 Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. 21 Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray o, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. 22 Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika: 23 Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray o, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 25 Ray o, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. 26 Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.

samedi 18 août 2012

Sabotsy 18 Aogositra 2012 - I Kor 12 : 23 - 26


23 ireo zavatra anisan'ny tena heverintsika ho kely voninahitra kokoa no omentsika voninahitra kokoa; ary ny tsy misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika no hajaintsika kokoa; 24 fa ny misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika dia tsy mila izany. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tenantsika, dia izay kely voninahitra kokoa amin'ny zavatra anisan'ny tena no efa nataony homem-boninahitra kokoa; 25 hany ka tsy misy fisaratsarahana eo amin'ny tena, fa mifampiahy avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena. 26 Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena.

vendredi 17 août 2012

Zoma 17 Aogositra 2012 - I Mpan 1 : 1 - 14


1 Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana. 2 Hoy ny mpanompony taminy: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao. 3 Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin'ny tanin'i Israely manontolo ireto mpanompon'i Davida; ary tao Sonema no nahitany an'i Abisaga izay nentiny tany amin'ny mpanjaka. 4 Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon'ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka. 5 Fa i Adonia zanakalahin'i Hagita kosa tamin'izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.
6 Hatramin'izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma. 7 Dia niresaka tamin'i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy tamin'i Abiatara mpisorona i Adonia, ka nahazo ny fanohanan'ireo. 8 Fa i Tsadoka mpisorona sy i Benaia zanakalahin'i Joiada sy i Natana mpaminany mbamin'i Simehy sy i Rehy ary ireo kalazan'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia. 9 Indray andro dia nikorana teo amin'ny vaton'i Zoheleta akaikin'i Haina-Rogela i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin'i Joda izay mpanompon'ny mpanjaka. 10 Kanefa tsy mba nasainy i Natana mpaminany sy i Benaia sy ireo lehilahy kalaza ary i Salomona rahalahiny. 11 Niteny tamin'i Baty-Seba renin'i Salomona i Natana ka nanao hoe: Tsy efa renao va fa nanangan-tena ho mpanjaka i Adonia zanakalahin'i Hagita, nefa i Davida andriamanjaka tsy nahalala izany akory? 12 Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salomona zanakao. 13 Mankanesa any amin'i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjakay 14 Dia hoy ihany i Natana: Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin'ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.

jeudi 16 août 2012

Alakamisy 16 Aogositra 2012 - Mat 5 : 43 - 48


43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao! 44 Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin'Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa? 47 Ary raha ny namana iray finoana ihany no arahabainareo, inona no tombony amin'ny ataonareo? Na dia ny hafa firenena aza ve tsy manao toraka izany koa? 48 Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany ary, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.

mercredi 15 août 2012

Alarobia 15 Aogositra - Fil 4 : 1 - 3


1 Toy izany ary, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy. 2 Ry i Eodia sy i Sintika, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3 Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 14 août 2012

Talata 14 Aogositra 2012 - Zef 3 : 9 - 13


9 Amin'izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy. 10 Eny fa hatrany an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.   11 Amin'izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin'izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina. 12 Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO. 13 Ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.

lundi 13 août 2012

Alatsinainy 13 Aogositra 2012 - I Tes 5 : 12 - 15


12 Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13 Fankatoavana be dia be ombam-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavana tsara ianareo samy ianareo. 14 Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

dimanche 12 août 2012

Alahady 12 Aogositra 2012 - I Pet 3 : 8 - 12


8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; 11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato; 12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12