jeudi 25 février 2021

Alakamisy 25 Febroary 2021 - II Tan 17 : 1 - 13

 1I Jôsafata, zanakalahin’i Asà, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan’ny fanjakàn’i Israely izy. 2Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy. 3Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala. 4Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra. 5Koa nohamafisin’ny TOMPO ny fahefàm-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an’i Jôsafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy. 6Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.

7Tamin’ny taona fahatelo nanjakàn’i Jôsafata dia nisy manampahefana nirahiny mba hampianatra tany amin’ny tanànan’i Joda, dia i Beny-Haîla sy i Hôbadià, i Zakarià sy i Natanaela ary i Mikaià. 8Nisy koa levita niaraka tamin’ireo, dia i Semahià sy i Netanià, i Zebadià sy i Hasahela, i Semiramôta sy i Jônatàna ary i Adônià sy i Tôbià; ary tafaraka taminy koa i Elisamà sy i Jôrama mpisorona. 9Nampianatra eran’i Joda ireo; fa sady nitondra ny bokin’ny lalànan’ny TOMPO izy no nitety ny tanàna rehetra tany Joda, ka nampianatra ny olona.

Ny hery amam-pahefàn’i Jôsafata

10Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo. 11Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.

12Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda. 13Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12