lundi 7 janvier 2013

Alatsinainy 07 Janoary 2013 - Mar 1 : 29 - 34


29 Vantany vao nivoaka ny sinagoga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simona sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakoba sy i Johany. 30 Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin'i Simona fa voan'ny tazo, ka nampahafantarina an'i Jesoa avy hatrany. 31 Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan'ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an'ireo vahiny. 32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon'ny demony. 33 Ka dia vory teo anoloan'ny varavarana ny vahoaka rehetra tao an-tanana. 34 Olona maro ianjadian'ny aretina isan-karazany no sitran'i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.

dimanche 6 janvier 2013

Alahady 06 Janoary 2013 - Hab 3 : 17 - 19


17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny oliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala, 18 dia mbola ho faly sy ravo ihany aho satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy. 19 Ny TOMPO Andriamanitra no heriko; mampalady ahy toy ny dieravavy Izy ka mampiriaria ahy eny an-kavoana. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin'ny valiha.

samedi 5 janvier 2013

Sabotsy 05 Janoary 2013 - Mat 6 : 25 - 30


25 Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina sy fisotro izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena? 26 Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan'ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo? 27 Fa iza aminareo, na dia be fanahiana toy inona aza, no mahay manalava kely monja ny andro iainany? 28 Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo eny an-tsaha: 29 tsy misasatra na mamoly izy ireny, kanefa lazaiko aminareo fa na i Salomona, teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 30 Tafin'Andriamanitra toy izany ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa atsipy any am-patana rahampitso; tsy mainka ve ianareo no hampitafiny, ry kely finoana?

vendredi 4 janvier 2013

Zoma 04 Janoary 2013 - Ez 37 : 9 - 14


9. Dia hoy ny TOMPO tamiko: ''Ry ilay taranak'olombelona , ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin'ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: "Ry fofonaina, mandidy anao ny TOMPO ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin'ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin'ireo faty ireo mba ho velona indray izy. 10. Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian'ny TOMPO ahy aho. Koa nidiran'ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin'ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe. 11. Ary hoy indray ny TOMPO tamiko: ''Ry ilay taranak'olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin'ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: "Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay." 12. Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ho sokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo. 13. Amin'izay dia ho ekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14. ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin'izay dia ho ekenareo fa IzahoTOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany".

jeudi 3 janvier 2013

Alakamisy 03 Janoary 2013 - Heb 10 : 19 - 25


19 Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20 Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21 Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22 koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23 Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24 Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

mercredi 2 janvier 2013

Alarobia 02 Janoary 2013 - Mat 8 : 23 - 27


23 Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany. 24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory. 25 Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: Tompo o, vonjeo fa ho faty isika! 26 Ary hoy i Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro. 27 Gaga ny olona ka vaky vava hoe: Avy aiza ary io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?

mardi 1 janvier 2013

Talata 01 Janoary 2013 - Gen 1 : 1 - 5


1 Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitra no nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava. Dia nisy mazava. 4 Hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina. 5 Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12