dimanche 6 janvier 2013
Alahady 06 Janoary 2013 - Hab 3 : 17 - 19
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny oliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala, 18 dia mbola ho faly sy ravo ihany aho satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy. 19 Ny TOMPO Andriamanitra no heriko; mampalady ahy toy ny dieravavy Izy ka mampiriaria ahy eny an-kavoana. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin'ny valiha.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...