mercredi 2 janvier 2013
Alarobia 02 Janoary 2013 - Mat 8 : 23 - 27
23 Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany. 24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory. 25 Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: Tompo o, vonjeo fa ho faty isika! 26 Ary hoy i Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro. 27 Gaga ny olona ka vaky vava hoe: Avy aiza ary io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...