jeudi 3 janvier 2013
Alakamisy 03 Janoary 2013 - Heb 10 : 19 - 25
19 Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20 Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21 Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22 koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23 Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24 Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...