jeudi 8 février 2018

Alakamisy 08 Febroary 2018 - Jer 11 : 1 - 5

1Izao no hafatra avy amin'ny TOMPO nampitondraina an'i Jeremià:
2–Hajaonareo ny tenin'ity fanekempihavanana ity! Hitenenanao kosa, ry Jeremià, ny olon'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema 3ka hilazanao hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin'ity fanekempihavanana ity, 4izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 5Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin'ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.»

Dia novaliako hoe:
–Eny tokoa, ry TOMPO.

Izay tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra

1- Ho voaozona
Rehefa niantso an' i Abrahama Andriamanitra dia nanao fanekena taminy (Gen 17, 7-14) ary nitohy tamin'ny taranany rehetra izany fanekena izany ka nipàka hatramin'i Jesoa Kristy Ilay Fanekena Vaovao. Raha fintinina ny Fanekena nataon'ny Tompo dia izao : Izy Tompo ho Andriamanitry ny olona anaovany fanekena ; ary ireo anaovanv fanekena kosa ho vahoakany. Hitahy ny olona sy hiaro arv hanao izay hahatomombana nv fiainan'ny olona amin'ny lafinv rehetra Andriamanitra, fa ny olona kosa dia hanompo Azy, hivavaka Aminy, tsy hanana Andriamanitra afatsy Izy. Efa natao ary ny fanekena ka ny olona izav mivadi-panekana no atao hoe ho voaozona eto. Mila mitandrina isika ka ny fanekena ny tenin' Andriamanitra no hahatonga antsika ho ao anatin' izany.

2- Tsv handova nv tanv kanana
Ny fankatoavana an'Andriamanitra sy fanarahana ny teniny no anisan'ny voizín'ny Soratra Masina fa antoka hisitrahana ny tany nomena ny vahoakan'Andriamanitra. Azo hamarinina ao anatin'ny tantararn-pirenen'ny Israely izany. fa raha vao te hivadika amin'ny fanekena ny Israely. na tsy mankato. dia tonga ny fahavalo te handroaka azy eo amin'ny tany, na haka ny tany Kanana. Izay mankato no hisitraka ny tany sy handova ny tany (Jer 11, 5). Marina ara-bakiteny izany amin'ny fanomezana antsika ny tanindrazantsika; kanefa tsarovy fa tsy hisitraka ny Kanana vaovao nomanin'i Jesoa ho antsika isika raha tsy manana ny fanahin'ny fenkatoavana. Ny fepetra handovàna « nv tanv » dia tsotra ihany: mankato ny tenin'Andi'iamanitra sy mitoetra ao amin'ny tànekena. Fanontanianev.
Ahoana ny fanatanterahana ny faneken'Andriamanitra?

mercredi 7 février 2018

Alarobia 07 Febroary 2018 - I Tes 2 : 13 - 16

13Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an'Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin'Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino. 14Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin'ireo Fiangonan'Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin'i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin'ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin'ny nafitsoky ny Jiosy2.14 Jereo Asa 17.5-6.. 15Namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay2.15 Jereo Asa 9.23-29; 13.45, 50; 14.2, 5, 19; 17.5, 13; 18.2.; ka tsy mahazo sitraka amin'Andriamanitra ireo sady fahavalon'ny olona rehetra. 16Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin'ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran'ny fahotana vitan'ny Jiosy, kanjo, tamin'ny farany, dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ireo.

Ny tenin'Andriamanitra torina

1- Aza raisina ho tenin'olona fotsiny
« Rehefa nandray ny tenin 'Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin'olona... » Noho ny asan'ny Fanahy Masina dia tonga Andriamanitra miteny ny olona mitoriteny. Nahoana moa isika FJKM no nanao fandaminana, ka ny mpitoriteny dia tsy maintsy nandalo ao amin'ny sekoly manomana ho mpitoriteny aloha, na miomana ho Mpitandrina? Tsy ny fandaharan-teny rehetra, na izay manonona teny avy amin'ny Soratra Masina dia mitoriteny. Tsy izay mahay mandaha-teny na irony antsoina amin'ny teny hafahafa hoe : « malama vava » dia ekena hitoriteny avokoa. Ny toriteny na dia teny ambaran'ny olona aza dia tenin' Andriamanitra mitondra fìnoana, tsy maintsy miainga amin'ny Soratra Masina ary manazava Soratra Masina. Koa raha tsy mitandrina isika dia mety hivaona izany, ary hitera-doza ho an'ny Fiangonana. Tokony hotsaroana àry fa tsy kabary tsara lahatra mahate hihaino fotsiny ny toriteny.

2- Tenin'Andriamanitra mampiorina ny finoan'nv olona
Hoy i Paoly apostoly ao amin'ny Rom 10.17: "ny finoana dia avy amin'ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin'ny tenin'i Kristy'. Koa nv tenv torina, na ny tenin'Andriamanitra henoina dia tsv zavatra mandalo fotsiny amin'ny olona fa misy akony ao aminy, miteraka finoana, faharesen-dahatra, fahavononana hanao asa ho fanompoana ny Tompo amin'ny nahim-po. Ankoatra izany dia tsy tokony hoadinoina fa mahery sy mahitsy ary mavesatra tokoa any tenin' Andriamanitra fa tsy tonga hanafosal'o ny olona fotsiny akory (jereo Jer 23, 29/Heb 4, 12)
Fanontaniana:
Efa voatsindron'ny tenin'Andriamanitra ve ianao?

mardi 6 février 2018

Talata 06 Febroary - Isa 51 : 4 - 8

4«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo,
ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko.
Satria Izaho no hamoaka ny lalàna;
ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko
ho fanazavana ny firenen-kafa
5Efa akaiky ny fanafahako,
efa hiseho ny famonjeko;
ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa.
Koa ny mponina any amin'ny nosy any
dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin'ny fahefàko.
6Atopazo eny an-danitra ny masonareo,
dia jereo koa ny tany etỳ ambany:
ny lanitra ho levona toy ny setroka
ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba,
ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy;
fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay
ary ny fanafahako tsy mba ho rava.

7Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny,
ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako;
aza matahotra izay fanaratsian'ny olona
na milefitra amin'ny fanalam-baràka ataony,
8satria ho toy ny lamba lanin'ny kalalao ireny
sy ho tahaka ny volonondry lanin'ny fositra;
fa ny fanafahako kosa haharitra mandrakizay
ary ny famonjeko ho amin'ny taonjato mifandimby.»

Ny lalàn'Andriamanitra

Ny lalàna ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsv enti-milaza didy aman-dalàna fotsiny, fa ny sitrapon' Andriamanitra. Raha ny momba ny lalàna voasoratra aza dia enti-milaza ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny izany, ka niteraka ny hoe lalàn'i Mosesy, izay ny fizarana voaloliany ao amin'ny testamenta taloha. Koa andeha hotsorina hoe ny lalàn'Andriamanitra dia ny Tenin'Andriamanitra sy ny sitrapony. Natao hamonjena ny olony ny lalàna. Raha ny fihevitry ny olona ny lalàna amin'ny ankapobeny dia natao hangejana sy hamoretana fotsiny, na dia mety hisy aza izay mihevitra azy ho ambonin'ny lalàna. Raha misy olona voaheloka, na tena nanao ilay heloka voalaza izy na tsia, satria mety hisy olona voaendrikendrika fotsiny, rehefa avoakan'ny mpanao lalàny ny valim-pitsarana dia voaheloka ilay olona. Hafa noho izany fiheverana izany no aroson'ny Tompo eto, satria natao hamonjena ny olona indrindra ny lalàna. Izao no voalaza: « Hisy lalàna hivoaka avy Amiko arv ny fltsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana nv fìrenena, akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko. » Tsy mpamaly ny olona araka ny nataony ihany Andriamanitra, fa Tompo manomana famonjena ho an'ny olony Izy, amin'ny alalan'ny lalàna hitondrany ny vahoaka. Mavesa-danja ary mitondra fiainana ny Tenin'Andriamanitra, na ny lalàna, fa tsy mangeja. Mpitaiza antsika ho amin'i Kristy aza ny lalàna (Gal 3. 24). Koa ampitoero ao am-pontsika i Jesoa Kristy, satria Izy no faran'ny lalàna (Rom 10. 4). Aza atao fahazarana fotsiny ny fivavahana Aminy fa fiainana ho anao izany.

Fanontaniana.
Ahoana ny fahazoanao ilay hoe isika tsy eo arnbany lalàna fa eo ambany fahasoavana?

lundi 5 février 2018

Alatsinainy 05 Febroary 2018 - Jao 12 : 44 - 50

44I Jesoa kosa niantso mafy hoe:
–Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy; 45ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy. 46Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin'ny haizina izay rehetra mino Ahy. 47Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao. 48Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin'ny andro farany; 49satria tsy avy amin'ny tenako no nanaovako fanambaràna, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako. 50Fantatro fa ny didin'ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

Ny olona miaina ao anaty fahazavana

1- Mino an'Andriamanitra
Miroborobo ny fiangonana samihafa. Maro amin' izy ireny no mitompo teny fantatra fa tena manana ny fahamarinana sy manana an'Andriamanitra. ary atobak'Andriamanitra aminy sy ho an'izay manaraka azy ny fiadanana sy ny vola aman- karena. Amin'ny teny hafà dia hoe: mihevi-tena ho hany "mahafantatra ny tena fahazavana izv ireny. Vokatr'izany dia roboka nv olona. Tokony hataontsika an-tsaina anefa fa nv teninAndriamanitra dia tena làlana hananan'nv olona sv hahafahan'ny olona miaina izanv fahazavana izany. lo tenin'Andriamanitra io no mitondra mazava. ary isika Protestanta dia manome toerana lehibe ny tenin' Andriamanitra. Hov i Jesoa: izay mino Ahv dia hahita nv Rav ary hiaina ao anaty fahazavana satria ny Rav no fahazavana (jereo 1 Jao 1. 5). Koa minoa ny Tompo, fa izay mino Azy dia handray ny teniny hitondra mazava ho amin'ny fiainanv.

2- Mitandrina ny tenin'nv Tompo
Voalaza eto nv hoe raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina dia ho voatsara. Fantatry ny olona izany tontolon'ny fitsarana izany. Eto dia habaribary amintsika izany fitsarana izany mba hiheverana ny atao amin'ny maha kristiana antsika. Raha misy olona tokony hisitraka ny fahafahana sy fahazavana omanin'ny Tompo ho an'ny mpanara-dia Azy dia isika kristiana. Tsy lokony hisalasalana ny amin'izany izany isika, kanefà tsy mandeha ho azy izany, satria tsy rehefa manana anarana kristiana dia hanana fahazavana sy fahafahana amin'izao. Tsia, fa ireo izay mankato sy mitandrina ny tenin'Andriamanitra ihany.

Fanontaniana.
Ahoana no atao hiainana ao amin'ny fahazavana?

samedi 3 février 2018

Sabotsy 03 Febroary 2018 - I Pet 3 : 8 - 12

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa3.9 Ampit Mt 5.44., satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina:

«Izay te hankamamy fiainana
sy te hahita andro soa,
aoka izy hitsaha-miteny ratsy
ary hitsaha-milaza fitaka;
11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
sy mihaino ny fitarainany,
fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy3.12 and 10-12: Sal 34.13-17, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»


Mizara roa ny olona rehetra

1- Ireo izav hasoavin'ny Tompo
Inoana fa zavatra katsahin'ny maro izany hoe ho lava andro iainana izanv. Mariky ny fitahiana izanv ! Tsy tonga ho azy amin'izao anefa izany, araka ny ambaran'i Petera eto fa misy fepetra tsy maintsy atao hahazoana azy. Misy ve ny fahavononan'ny olona, ny mpino na ny kristiana hikatsaka izany amin'nv alalan'ny fanarahana ny tari- dàlana avy amin'ny Tompo'? Izany no hanavahana ny olona mba hisitraka ny fahasoavan'ny Tompo. dia ireo jereny raha misy manjo ary henoiny raha mangata-javatra Aminy. Mandray fahasoavana manokana avy amin' Andriamanitra ity sokajin'olona ity. Ny mpino mifikitra sy mametraka ny fiainany amin'ny Tompo izanv.

2- Ireo izay tezerany
Tsv vaovao amin'nv olona velively, indrindra ho an'ny nv mpino kristiana, izany fitarihana azy hisitraka ny fanasoavan'ny Tompo izanv. Matetika anefa dia fanaon'ny olona ny tsy miraharaha izay re sy ambara aminy satria ny olona dia tonga amin'ny izay lazain'i isaia mpaminanv manao hoe mijerv ihany izy fa tsy mahita arv mihaino ihanv izy fa tsy mandre. Ampahafantarina antsika anefa fa isan'ireo izay tezeran' Andriamanitra ny olona manao izay fa tsy mba hasoaviny. Nv anton'nv nilazan'Andriamanitra izay zavatra izany eto dia tiany raha mba isan'nv hisitraka ny fahasoavany ny mpanara-dia Azy. Mbola manome fotoana ho anao hanapahanao hevitra amin'ny fíronana manaraka Azy ary izao teny izao ka tsy isan'izay hotezerany ianao.

Fgnontaniana:
Ahoana ny hahatonga ny olona hohasoavin'ny Tompo'?

vendredi 2 février 2018

Zoma 02 Febroary 2018 - Lio 11 : 27 - 28

27Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan'ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe:
–Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao!

28Fa hoy i Jesoa:
–Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy!

Ny tena fahasambarana

1- Hasambarana tsv araka izav hiheveran'nv maro azv
Tenin'ilay vehivavy iray nahita ny asa nataon'i Jesoa Kristy ity. Niloa-bava izy, ka toy ny niteny fa raha izy no niteraka an'i Jesoa dia ho sambatra indrindra. Heverina anefa fa hasambarana an'olon-tokana izany ; hasambaran'ny reny nahavita nitaiza sy nanabe zanaka, ka nahatonga azy hanan-daza eo amin'ny tany ama-monina. Izany no hasambarana heverin'ny ray aman- dreny sasany. Nofínofy anefa ny azy satria tsy zanaka naterany tsinona io Jesoa Kristy io. Koa tsy araka izay hevitra handraisan'ny olona azy, na izay zavatra isitrahana mahafalifaly ny saina no atao hoe hasambarana.

2- Hasambarana araka izay ambaran'ny Tomno
Rehefa ren'i Jesoa Kristy ny hetahetan'ity vehivevy ity dia manome vahaolana Izy. Ny fomba ahitana hasambarana ho an'ny rehetra. tsy ho an'olon-tokana. dia nomen'i Jesoa Kristy. Ny tena hasambarana dia ny mihaino ny Tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. Hasambarana tsy mandalo na miserana fotsiny fa tena maharitra, ary azon'ny olona rehetra isitrahana. Koa raha te ho sambatra kokoa ianao, aza atao mandalo aminao fotsiny, na natao ho fahafinaretan' ny sofina ny mihaino sy miaina amin'ny tenin'Andriamanitra. Ao anatin'izany ny famakiana sy Soratra Masina. Ho tsapanao fa ho loharanom-pahasambarana ho anao tokoa izany.

Fanontaniana:
Moa manaiky ny lojikam-pahasambarana lazain'i Jesoa Kristy ve ianao?

jeudi 1 février 2018

Alakamisy 01 Febroary 2018 - Deo 21 : 18 - 21

18Mety hisy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra, ka tsy mihaino ny tenin'ny ray aman-dreniny sady tsy zakany anarina. 19Hosamborin'ireo ray aman-dreniny izy ka hoentiny amin'ny fitsarana eo anoloan'ny loholon'ny tanàna onenany; 20ary hiteny amin'ny loholona izy mivady hoe: «Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny teninay fa mpandany sy mpimamo.» 21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo; ary handre izany ny Israelita rehetra ka hatahotra.

Andraikitra lehibe ny fitaizana zanaka

1- Tsv maintsy ataon'ny ray aman-dreny izany
Sarotra ny fìtaizana sy fanabeazana taranaka ankehitriny. Eo nv fahasarotam-piainana sy nv rotoroto andavanandro izay manery ny mpianakavy tsy hifànkahita. Etsy an-kilan' izany, tsapa fa tena mihatanora ny salan-taonan'ny olona miditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ka tsv matotra ary tsy afaka hiatrika ny adidy amin'ny maha rav aman-dreny. Miara- miaiky isika fa sarotra ny fitaizana. Izany anefa tsy mamela ny ray aman-dreny hialangalana, na hiala andraikitra satria adidy masina ny maha ray aman-dreny. Tsy maintsy mitady fomba hamahana olana ny ray aman-dreny, anisan'izany ny fitaizana ny zanaka mba hihaino ny Tenin'Andriamanitra.

2- Manampv amin'nv fanabeazana ny fiaraha-monina
Hita eto fa manana andraikitra miara manabe ny taranaka amin'nv ray aman-dreny ny fìarahamonina, raha tsy hiresaka afatsy ny haino aman-jery isan-karazany sy ny tambazotram- pifandraisana, "face book" fotsiny aza isika. Ekena fa tsy mitovy ny sehatra hiainantsika izao sy tamin'izay niainan'ny Israelita azy fahiny; nela tsapa fa misy zavatra mamono ny taranaka ihanv ankehitriny, na dia tsy mamono mivantana tahaka ny tamin'izany aza. Ilaina ihany nv mifehy ny tontolom-panabeazana any amin'ny fiarahamonina satria mety mamono sy manimba ny zanaka beazina ihany izy ireny. Ny Fiangonana, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra dia fiasana sy mpiara-miasa amin'ny Tompo mba hanarenana ny fitaizana sy fanabeazana tahaka izany !

Fanontanìana:
Ahoana ny fomba tsara hanabeazana ny zanaka ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12