vendredi 2 février 2018

Zoma 02 Febroary 2018 - Lio 11 : 27 - 28

27Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan'ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe:
–Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao!

28Fa hoy i Jesoa:
–Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy!

Ny tena fahasambarana

1- Hasambarana tsv araka izav hiheveran'nv maro azv
Tenin'ilay vehivavy iray nahita ny asa nataon'i Jesoa Kristy ity. Niloa-bava izy, ka toy ny niteny fa raha izy no niteraka an'i Jesoa dia ho sambatra indrindra. Heverina anefa fa hasambarana an'olon-tokana izany ; hasambaran'ny reny nahavita nitaiza sy nanabe zanaka, ka nahatonga azy hanan-daza eo amin'ny tany ama-monina. Izany no hasambarana heverin'ny ray aman- dreny sasany. Nofínofy anefa ny azy satria tsy zanaka naterany tsinona io Jesoa Kristy io. Koa tsy araka izay hevitra handraisan'ny olona azy, na izay zavatra isitrahana mahafalifaly ny saina no atao hoe hasambarana.

2- Hasambarana araka izay ambaran'ny Tomno
Rehefa ren'i Jesoa Kristy ny hetahetan'ity vehivevy ity dia manome vahaolana Izy. Ny fomba ahitana hasambarana ho an'ny rehetra. tsy ho an'olon-tokana. dia nomen'i Jesoa Kristy. Ny tena hasambarana dia ny mihaino ny Tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. Hasambarana tsy mandalo na miserana fotsiny fa tena maharitra, ary azon'ny olona rehetra isitrahana. Koa raha te ho sambatra kokoa ianao, aza atao mandalo aminao fotsiny, na natao ho fahafinaretan' ny sofina ny mihaino sy miaina amin'ny tenin'Andriamanitra. Ao anatin'izany ny famakiana sy Soratra Masina. Ho tsapanao fa ho loharanom-pahasambarana ho anao tokoa izany.

Fanontaniana:
Moa manaiky ny lojikam-pahasambarana lazain'i Jesoa Kristy ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12