mardi 6 février 2018

Talata 06 Febroary - Isa 51 : 4 - 8

4«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo,
ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko.
Satria Izaho no hamoaka ny lalàna;
ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko
ho fanazavana ny firenen-kafa
5Efa akaiky ny fanafahako,
efa hiseho ny famonjeko;
ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa.
Koa ny mponina any amin'ny nosy any
dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin'ny fahefàko.
6Atopazo eny an-danitra ny masonareo,
dia jereo koa ny tany etỳ ambany:
ny lanitra ho levona toy ny setroka
ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba,
ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy;
fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay
ary ny fanafahako tsy mba ho rava.

7Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny,
ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako;
aza matahotra izay fanaratsian'ny olona
na milefitra amin'ny fanalam-baràka ataony,
8satria ho toy ny lamba lanin'ny kalalao ireny
sy ho tahaka ny volonondry lanin'ny fositra;
fa ny fanafahako kosa haharitra mandrakizay
ary ny famonjeko ho amin'ny taonjato mifandimby.»

Ny lalàn'Andriamanitra

Ny lalàna ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsv enti-milaza didy aman-dalàna fotsiny, fa ny sitrapon' Andriamanitra. Raha ny momba ny lalàna voasoratra aza dia enti-milaza ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny izany, ka niteraka ny hoe lalàn'i Mosesy, izay ny fizarana voaloliany ao amin'ny testamenta taloha. Koa andeha hotsorina hoe ny lalàn'Andriamanitra dia ny Tenin'Andriamanitra sy ny sitrapony. Natao hamonjena ny olony ny lalàna. Raha ny fihevitry ny olona ny lalàna amin'ny ankapobeny dia natao hangejana sy hamoretana fotsiny, na dia mety hisy aza izay mihevitra azy ho ambonin'ny lalàna. Raha misy olona voaheloka, na tena nanao ilay heloka voalaza izy na tsia, satria mety hisy olona voaendrikendrika fotsiny, rehefa avoakan'ny mpanao lalàny ny valim-pitsarana dia voaheloka ilay olona. Hafa noho izany fiheverana izany no aroson'ny Tompo eto, satria natao hamonjena ny olona indrindra ny lalàna. Izao no voalaza: « Hisy lalàna hivoaka avy Amiko arv ny fltsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana nv fìrenena, akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko. » Tsy mpamaly ny olona araka ny nataony ihany Andriamanitra, fa Tompo manomana famonjena ho an'ny olony Izy, amin'ny alalan'ny lalàna hitondrany ny vahoaka. Mavesa-danja ary mitondra fiainana ny Tenin'Andriamanitra, na ny lalàna, fa tsy mangeja. Mpitaiza antsika ho amin'i Kristy aza ny lalàna (Gal 3. 24). Koa ampitoero ao am-pontsika i Jesoa Kristy, satria Izy no faran'ny lalàna (Rom 10. 4). Aza atao fahazarana fotsiny ny fivavahana Aminy fa fiainana ho anao izany.

Fanontaniana.
Ahoana ny fahazoanao ilay hoe isika tsy eo arnbany lalàna fa eo ambany fahasoavana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12