mercredi 7 février 2018

Alarobia 07 Febroary 2018 - I Tes 2 : 13 - 16

13Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an'Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin'Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino. 14Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin'ireo Fiangonan'Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin'i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin'ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin'ny nafitsoky ny Jiosy2.14 Jereo Asa 17.5-6.. 15Namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay2.15 Jereo Asa 9.23-29; 13.45, 50; 14.2, 5, 19; 17.5, 13; 18.2.; ka tsy mahazo sitraka amin'Andriamanitra ireo sady fahavalon'ny olona rehetra. 16Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin'ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran'ny fahotana vitan'ny Jiosy, kanjo, tamin'ny farany, dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ireo.

Ny tenin'Andriamanitra torina

1- Aza raisina ho tenin'olona fotsiny
« Rehefa nandray ny tenin 'Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin'olona... » Noho ny asan'ny Fanahy Masina dia tonga Andriamanitra miteny ny olona mitoriteny. Nahoana moa isika FJKM no nanao fandaminana, ka ny mpitoriteny dia tsy maintsy nandalo ao amin'ny sekoly manomana ho mpitoriteny aloha, na miomana ho Mpitandrina? Tsy ny fandaharan-teny rehetra, na izay manonona teny avy amin'ny Soratra Masina dia mitoriteny. Tsy izay mahay mandaha-teny na irony antsoina amin'ny teny hafahafa hoe : « malama vava » dia ekena hitoriteny avokoa. Ny toriteny na dia teny ambaran'ny olona aza dia tenin' Andriamanitra mitondra fìnoana, tsy maintsy miainga amin'ny Soratra Masina ary manazava Soratra Masina. Koa raha tsy mitandrina isika dia mety hivaona izany, ary hitera-doza ho an'ny Fiangonana. Tokony hotsaroana àry fa tsy kabary tsara lahatra mahate hihaino fotsiny ny toriteny.

2- Tenin'Andriamanitra mampiorina ny finoan'nv olona
Hoy i Paoly apostoly ao amin'ny Rom 10.17: "ny finoana dia avy amin'ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin'ny tenin'i Kristy'. Koa nv tenv torina, na ny tenin'Andriamanitra henoina dia tsv zavatra mandalo fotsiny amin'ny olona fa misy akony ao aminy, miteraka finoana, faharesen-dahatra, fahavononana hanao asa ho fanompoana ny Tompo amin'ny nahim-po. Ankoatra izany dia tsy tokony hoadinoina fa mahery sy mahitsy ary mavesatra tokoa any tenin' Andriamanitra fa tsy tonga hanafosal'o ny olona fotsiny akory (jereo Jer 23, 29/Heb 4, 12)
Fanontaniana:
Efa voatsindron'ny tenin'Andriamanitra ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12