mercredi 14 novembre 2018

Alarobia 14 Novambra 2018 - Sal 86 : 1 - 10

1 Vavaka nataon'i Davida.

TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao
ka valio aho fa ory sy mahantra.
2Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho.
Mpanomponao aho ka matoky Anao,
vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.
3Tompo ô, mba iantrao aho
fa miantso Anao tontolo andro.
4Ampifalio re aho mpanomponao
satria Ianao, Tompo ô, no ifantohako.
5Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka,
be fitia amin'izay rehetra miantso Anao.
6Mba henoy, TOMPO ô, ny vavaka ataoko;
ka ho tandrinao anie ny fitarainako.
7Amin'ny androm-pahoriako,
Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.

8Tompo ô, tsy misy tahaka Anao
amin'ireo andriamanitra;
tsy misy mahavita ny vitanao.
9Ianao no namorona ny firenen-drehetra,
ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy
ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,
10fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga;
Ianao ihany no tena Andriamanitra.

Mihaona amin'ny mino ny Tompo

1- Amin'ny vavaka (and 1-7)

Salamo vavaka no hitantsika eto; ny fivavaky ny mpanompon'Andriamanitra mino sy matoky an' i Jehovah (and 1-5). Akaiky ny mino Andriamanitra : manan-tsofina mihaino sady mahita ny fahoriana mihatra amin'ny mpanompony. Izy no itokian'ny mpanompony dia izay efa nanaiky sy nanokana ny tenany hanompo Azy izay atao hoe : «masina» (and 2). Amin'ny andro fahoriana mihatra amin'ny mino dia Izy irery no azo itarainana sy antenaina hamonjy sy hanafaka. Amin'ny teny fototra dia ao amin'Andriamanitra no misy ny famindram-po. Mamaly antsika araka ny fitiavany i Jehovah. Ao amin'ny vavaka dia hita eto ny fahatsaran'Andriamanitra : mamela heloka sy be famindram-po, mihaino ny vavaky mpanompony sy izay matahotra azy.

2- Amin'ny finoana (and 8-10)

Mitondra ho amin'ny asa fanandratana sy fiderana ny finoana an'i Jehovah Andriamanitra. Misy fanekem- pinona lehibe amin'ny Mpanao Salamo. Tokana Andriamanitra ary tsy misy afa tsy Izy irery ihany. Tsy andriamanitra ny sampy sy ny andriamani-kafa sady tsy afaka ampitahaina amin'i Jehovah Andriamanitra ireny. Mpamonjy Izy sady izany rahateo ny asany (and 8). Andriamanitra manerana izao rehetra izao Andriamanitra. Ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehany sady hanome voninahitra Azy (and 9-10). Ny fivavahana marina dia misarika ny olona rehetra hatahotra an' Andriamanitra.

Fanontaniana :
Inona no zava-kendren'nv fivavahantsika ?

mardi 13 novembre 2018

Talata 13 Novambra 2018 - I Jao 2 : 24 - 29

24Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao anatin'ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. 25Ary ny zavatra nampanantenain'i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

26Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin'ireo mitady hamitaka anareo. 27Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin'i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy no mampianatra anareo ny amin'ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin'i Kristy ianareo, araka ny nampianaran'ny Fanahy Masina anareo.

28Eny, rey anaka, tomoera ao anatin'i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin'ny andro hiaviany ka ho afa-baràka.

29Raha fantatrareo fa marina Andriamanitra, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina soritany koa dia naterak'Andriamanitra.

Tomoera tsara ao amin'i Kristy

1- Mitoera tsara ao aniin'i Kristy

Mitoera ao amin'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny finoana. Fiombonana feno amin'ny Zanak'Andriamanitra sy amin'ny Ray. Ao amin'i Jesoa Kristy no andraisana voalohany ny fiainana mandrakizay. Misy fampianaran- diso izay mitaona ny kristiana hiala amin'izany finoana sy fampianarana izany ( and 26). Manoratra i Jaona Apostoly mba hitoetra sy haharitra amin'ny fampianarana nomena azy ny mpino. I Jesoa Kristy irery ihany no antoka ho amin'ny Fiainana mandrakizay. Ny teny fikasan' Andriamanitra ho antsika dia fiainana mandrakizay (and 25). Taomina sv ampaherezina ny kristiana mba tsy hirona amin'ny fampianarana vaovao toa malaza nefa mitondra ho amin'ny fahaverezana. Tsy misy famonjena sy fiainana mandrakizay ho an'ny olombelona ivelan' i Jesoa Kristy. Fahatanterahan'ny tenv fikasan'ny Ray ny fitoerana ao amin'i Kristy: izany no fiainana mandrakizay, izay manomboka ety an-tany.

2- Mitoera tsara ao amin'ny Fanahy Masina

I Jesoa Kristy Ilay Mesia na nohosoran'ny Fanahy Masina Zanak'Andriamanitra sady Mpamonjy. Izy ihany koa no manosotra ny mino amin'ny Fanahy Masina. Mampianatra ny kristiana ny zavatra rehetra nv Fanahy Masina. Mampatsiaro ihany koa ny fampianaran'i Jesoa tany aloha ary manohy izany ankehitriny. Tsy ny mpampianatra sandoka no andraisana ny fampianaran'ny Tompo fa ny asan'ny Fanahy Masina. Tandremo ary tsy ho lasan'ny fampianaran-dison'ny fandrosoana ankehitriny.

Fanontaniana :
Inona no fampianaran-diso fantatrao tokony horesena ?

lundi 12 novembre 2018

Alatsinainy 12 Novambra 2018 - Nom 23 : 1 - 5

1Ary hoy i Balahama tamin'i Balàka:
–Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.
2Nataon'i Balàka izay nolazain'i Balahama; avy eo izy roa lahy dia niara-nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray isan'alitara.

3Dia hoy i Balahama tamin'i Balàka:
–Mijanòna ihany eto akaikin'ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao.

Ary lasa i Balahama nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady. 4Nisehoan'Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe:
–Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan'alitara.
5Nanisy teny tao am-bavan'i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin'ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.

Ny faneren'i Balaka an'i Balama hanozona ny Isiraely

1 - Manamby an'i Balama i Balaka

Manamby an'i Balama i Balaka Moabita, avy amin'ny taranak'i Lota hanozona ny Isiraely. Noho ny tahotr'i Balaka ny Zanak'i Isiraelyy hiakatra ny taniny rehefa nandresy ny Amorita sy noho ny hamaroan'ny Isiraely (Nom 22,2-4) dia nampaka an'i Balaka mpisikidy tao Midiana izy mba hanozona ny Isiraely (Nom 22,6).

2 - Mampanorina alitara i Balama

Alitaran-tsampy sy fanompoan-tsampy ny fivavahan'i Balama. Izany no heveriny hahafahana mihaona amin'i Jehovah Andriamanitra. Manafoana ny fahitan'ny mpanompo sampy Andriamanitra. Manafoana ny ozona hataon'ny jentilisa amin'ny vahoakany Izy. Manafoana ny sain'ny mpahita sy ny mpiroa saina ihany koa. Fivavahana azo vidim-bola sy asian-takalo ary azo karamaina ny fivavahana jentilisa. Fivavahana filan-javatra sy tombontsoa. Fahefan'Andriamanitra no manafoana ny sampy sy ny fanahinv. Andriamanitra tsy azo karamaina na tambazana. Tsy misy mahafoana ny fihevitra sy ny fisainan'Andriamanitra.

3 - Mitahy nv Isiraely Andriamanitra

Feno fisalasalana i Balama amin'ny fiheverany hihaona amin'i Jehovah : « angamba ho avy hihaona amiko i Jehovah » (and 3). Nofehezin'Andriamanitra ny vavan'i Balama sy ny fikasany ka tsy navelan'Andriamanitra hiteny afa tsy izay sitrapony izy : « Miverena anv amin 'i Balaka , ary izany no holazainao » (and 5). Hitantsika eto izany tenin'i Jehovah izany (and 6-10).

Fanontaniana :
Mino ve ianao fa efa afaka amin'ny ozona ankehitriny ?

dimanche 11 novembre 2018

Alahady 11 Novambra 2018 - Mat 3 : 1 - 12

1Tamin'izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr'i Jodea i Jôhany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe:
2–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn'ny lanitra!

3Izy no ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany hoe:

«Injany misy feon'olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan'ny Tompo;
ahitsio ny hizorany!»

4Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. 5Tamin'izay dia nirohotra nankany amin'i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin'ny faritany rehetra amoron'ny ony Jôrdàna; 6ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon'i Jôhany batisa tao Jôrdàna.

7Rehefa hitan'i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin'ny hatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra. 8Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. 9Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.

11Hoy koa i Jôhany:
–Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin'ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin'ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 12Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

Ny fisehoan'ny famonjena ny mpanota

1- Maniraka Mpialoha làlana azy ny Tompo

Rehefa tao amin'ny fanginana Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha hatreo amin'i Malakia dia naniraka an'i Jaona Mpanao Batisa. Mialoha ny fiavian'ny Mesia dia miantso fibebahana sy manambara ny maha-akaiky ny fanjakan'ny lanitra i Jaona Mpanao Batisa. Nahomby ny antsoantsony ka maro ny olona no nibebaka dia « i Jerosaiema sy i Jodia rehetra » (and 5). Mahazatra amin'ny fivavahan'ny Isiraely ny fidiovana amin'ny rano fa ny fibebahana sy ny fiaiken-keloka no notorin'i Jaona. Votoatin'ny hafatry ny mpaminany ny fibebahana sy ny fiovam-po, satria izany no fandosirana ny fahatezerana ho avy. Miandry ny fiovam-po sy ny fandraisan'ny Jiosy ny fiainana vaovao Andriamanitra.

2- Ho avy ny Tompo

I Jesoa llay Mesia ho avy aorian'i Jaona. Izy no manao batisa amin' nv Fanahy Masina sy ny afo (and 11). Irav ihany ny Fanahy sy nv afo eto. Naseho ho endriky ny afo ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekosta (Asa 2,3). Miditra ao amin'ny olona ny Fanahy Masina, dia ny olona mafy fo sy maditra. Izy no manova ny olona ho vaovao. Mitondra ny olona ho amin'ny famelan-keloka sy fahadiovana. Izanv no ilazana hoe : ateraka indray ny olona natao batisa amin'ny Fanahy Masina. Miova ho olom-baovao. Ho avy ny Tompo amin'ny andro farany ka hanangona izay vokatra avy amin'ny Fanahy Masina, dia ny fo mibebaka sy manaiky an'i Jesoa Kristy.

Fanontaniana :
Manao ahoana izany hoe : olona nateraky ny Fanahy Masina izany ?

samedi 10 novembre 2018

Sabotsy 10 Oktobra 2018 - Isa 66 : 12 - 17

12Fa izao tokoa no lazain'ny TOMPO:
«Indro hotarihiko hankao Jerosalema
ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony;
ny haren'ny firenen-kafa hotarihiko hankao
ka ho tondraka toy ny renirano.
Hikarakara fatratra anareo Aho
toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany
ka mitondra azy eo an-trotroany
sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.
13Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany
no hampiononako anareo koa;
ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!
14Dia ho tsapanareo amin'izany
fa ho dibo-kafaliana ny fonareo,
ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray
tahaka ny ahitra mirobona.»

Hataon'ny TOMPO fantatr'ireo mpanompo Azy ny fahefàny;
fa ho tezitra kosa amin'ny fahavalony Izy.
15Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo,
miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny.
Misafoaka erỳ Izy mampihatra ny fahatezerany
sy ny fandrahonany amin'ny lelafo miredareda.
16Fa amin'ny alalan'ny afo sy ny sabatra
no hitsaran'ny TOMPO ny olombelona rehetra;
ka maro no haringan'ny TOMPO,
17dia ireo mihambo hidio manokana
mba ho afa-miditra ao an-tanimboly
sy hipetraka aorian'ilay eo afovoany,
na koa ireo mihinana henakisoa
sy voalavo mbamin'ny zava-maharikoriko.
Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan'ireny.
Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Ho avy i Jehovah Andriamanitra

1- Manome fiadanana ny Isiraely

Rehefa nofaizina sy nokapohin'i Jehovah ny Isiraely. dia omeny fampiononana. Hampionona ny Isiraely ao Jesosalema Jehovah. Tsy handre ady sy fahoriana ary sabatra ny Isiraely fa omena fiadanana sy filaminana. Tahaka ny renirano tondraka no iavian'ny fíadanana. Tsy hisy firenena hanafika sy handroba ny Isiraely intsony fa ny firenena mitondra ny hareny sy ny voninahiny. Hanjary firenena mahataona olona, itangoranan'izao tontolo izao ny Isiraely noho ny fiadanana omen'i Jehovah azy.

2- Manao fahariana vaovao Andriamanitra
Mampiseho an-tsary Isaia ny fifamatoran'ny famonjena sy ny fahariana vaovao. Tahaka ny olon-dehibe hateraka indray ny Isiraely (and 13). Ao Jerosalema ihany no anovozana ny fiononana. Hateraka indray ny Isiraely izay mangovitra noho ny tenin'i Jehovah (and 5). Hiankina amin'i Jehovah ny fahavelomany sy ny fahasambaranv, tahaka ny zaza vao teraka minono. Mpahary sady Mpamonjy Andriamanitra. Izany no mitondra antsika amin'ny fahatokiana Azy amin'ny físedrana sy ny fahoriana mihatra ankehitriny.

3- Hamaly fitsarana ny mpanota Andriamanitra
Mitsara sy mamaly ny fahotan'izay rehetra nampahory ny vahoakany ny Tompo. Tahaka izany ihany koa no handringanany ny mpanompo sampy sy nandoto ny fívavahany. Afo sy sabatra no handringanany ny mpanompo sampy sy ny vetaveta fahavalon'i Jehovah sy ny Isiraely. Mifalia amin'ny famonjen'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fanantenantsika izany fiadanana izany ?

vendredi 9 novembre 2018

Zoma 09 Novambra 2018 - Heb 11 : 13 - 16

13Tamim-pinoana no nahafatesan'ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain'Andriamanitra azy, kanefa notazanin'ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany. 14Ireo olona miteny toy izany dia mampiharihary fa mitady izay ho tanindrazany. 15Ka raha ny tany nialany no nahamanina azy, dia mbola nahita fotoana hiverenana any izy; 16saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an'Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr'izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.

Efa nanamboatra tanàna ho an'ny mino ny Tompo

1- Ho an'ireo maty tamin'ny finoana

Tanisaina eo aloha ireo olo-malaza amin'ny finoana ao amin'ny Testamenta Taloha. Tsy ho diso anjara ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izay niaina sy nitahiry ny finoana. Omen'ny Tompo antoka izay mino fa tsy maintsy ho tonga any an-danitra any amin'ny Tompo. « ary niara napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesoa » (Efes 2,6). I Mosesy dia nahatazana lavitra ny tany Kanana. fa tsy niditra tany (Deo 32,52) fa miandry ny mino rehetra.

2- Ho an'izay maniry ny tsara lavitra

Marim-pototra ny safidin'ny finoan'ny Patriarka. Tsy ilay Kanana ety an-tany no tanjon'ny finoana fa ny hitoetra any amin'Andriamanitra any an-danitra « ny tsara lavitra no iriny » (and 16). Vahiny sy mpivahiny ety an-tany ny mpino fa mponina any an-danitra. Efa mahita ny toerana itodiany ny mpino. Ny fiainan'ny mino izany dia mahita ny tsy hitan'ny maso. Any an-danitra no misy ny fonenana maharitra ho an'ny kristiana fa fandalovana no eto .

3- Satria tsy menatra azy ireo Andriamanitra

Ny tenin'ny Patriarka dia teny faminaniana avy amin' Andriamanitra. Manaiky ho Andriamanitry ny mino sy izay matoky azy ny Tompo (Heb 8, 10 ; Jer 31,33 ; 32,38). Raisiny ho vahoakany ny mino, ary Andriamanitra ho Andriamaniny. Tsy menatra antsika mpanota mibebaka ny Tompo. Izay maniry ny tsara lavitra dia tsy ho menatra mandrakizay satria tsy menatra azy ny Tompo. Malalaka ny toerana ho an'ny mino sady tsy mbola feno araka izay ambaran'ny fampianarana sandoka ankehitriny.

Fanontaniana:
Inona ny antony ilazana fa tsara ny any an-danitra ?

jeudi 8 novembre 2018

Alakamisy 08 Novambra 2018 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:

«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempolin'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.

13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Ho avy ny Tompo

1- Ny fotoanan'ny fakam-panahy

Vanim-potoana fanenjehana ny kristiana no nanoratana ny Apokalypsy. Misy ireo izay mihevitra ny tenany fa Jiosy na mpivavaka marina sy miorina nefa «synagogan'i satana » na «fiangonan 'i satana ». Manao tafìka masina ny Tompo haka azy ireo mba hiankohoka aminy ihany koa. Na kely hery aza ny fiangonan'i Filadelfia dia mitandrina sy maharitra amin'ny Tenin'ny Tompo (and 10). Misokatra ho an'ity fiangonana kely hery ity ny Fitoriana ny Filazantsara hitomboany hery sy hanangonany ny olona maro hiankohoka eo amin'ny Tompo. Efa nanokatra varavarana ho azy i Jesoa Kristy (lKorl6.9; Kol 4.3).

2- Ny fiavian'ny Tompo

Fandresen'ny Fiangonana sy ny mpino ny fiavian'ny Tompo. Fanomezan' Andriamanitra ny valisoa ho azy mino izany. Atao andry eo amin'ny tempolin' Andriamanitra ny mino. soratana aminy ny anaran' Andrimanitra vaovao ho marika fa Jesoa Krisly no Tompony. Izany rehetra izany dia filazan'ny Tompo, llay Tompo sady Lohan'ny Fiangonana fa tsy very maina ny fanompoana Azy. Voafetra ihany koa ny fotoan'ny fanalam-baraka tsy marina ny mpino sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy. Ankehitriny izao tontolo izao dia mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, ka manao izay tiany hatao sy manenjika ny ny kristiana miorina tsara amin'ny Tenin'Andrimanitra. Manorina ny fanantenana kristiana, anefa, ny finoana fa ho avy ny Tompo.

Fanontamana:
Ahoana no fisehoan'nv fanenjehana ny mino ankehitriny '?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12