mercredi 14 novembre 2018

Alarobia 14 Novambra 2018 - Sal 86 : 1 - 10

1 Vavaka nataon'i Davida.

TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao
ka valio aho fa ory sy mahantra.
2Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho.
Mpanomponao aho ka matoky Anao,
vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.
3Tompo ô, mba iantrao aho
fa miantso Anao tontolo andro.
4Ampifalio re aho mpanomponao
satria Ianao, Tompo ô, no ifantohako.
5Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka,
be fitia amin'izay rehetra miantso Anao.
6Mba henoy, TOMPO ô, ny vavaka ataoko;
ka ho tandrinao anie ny fitarainako.
7Amin'ny androm-pahoriako,
Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.

8Tompo ô, tsy misy tahaka Anao
amin'ireo andriamanitra;
tsy misy mahavita ny vitanao.
9Ianao no namorona ny firenen-drehetra,
ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy
ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,
10fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga;
Ianao ihany no tena Andriamanitra.

Mihaona amin'ny mino ny Tompo

1- Amin'ny vavaka (and 1-7)

Salamo vavaka no hitantsika eto; ny fivavaky ny mpanompon'Andriamanitra mino sy matoky an' i Jehovah (and 1-5). Akaiky ny mino Andriamanitra : manan-tsofina mihaino sady mahita ny fahoriana mihatra amin'ny mpanompony. Izy no itokian'ny mpanompony dia izay efa nanaiky sy nanokana ny tenany hanompo Azy izay atao hoe : «masina» (and 2). Amin'ny andro fahoriana mihatra amin'ny mino dia Izy irery no azo itarainana sy antenaina hamonjy sy hanafaka. Amin'ny teny fototra dia ao amin'Andriamanitra no misy ny famindram-po. Mamaly antsika araka ny fitiavany i Jehovah. Ao amin'ny vavaka dia hita eto ny fahatsaran'Andriamanitra : mamela heloka sy be famindram-po, mihaino ny vavaky mpanompony sy izay matahotra azy.

2- Amin'ny finoana (and 8-10)

Mitondra ho amin'ny asa fanandratana sy fiderana ny finoana an'i Jehovah Andriamanitra. Misy fanekem- pinona lehibe amin'ny Mpanao Salamo. Tokana Andriamanitra ary tsy misy afa tsy Izy irery ihany. Tsy andriamanitra ny sampy sy ny andriamani-kafa sady tsy afaka ampitahaina amin'i Jehovah Andriamanitra ireny. Mpamonjy Izy sady izany rahateo ny asany (and 8). Andriamanitra manerana izao rehetra izao Andriamanitra. Ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehany sady hanome voninahitra Azy (and 9-10). Ny fivavahana marina dia misarika ny olona rehetra hatahotra an' Andriamanitra.

Fanontaniana :
Inona no zava-kendren'nv fivavahantsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12