vendredi 9 novembre 2018

Zoma 09 Novambra 2018 - Heb 11 : 13 - 16

13Tamim-pinoana no nahafatesan'ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain'Andriamanitra azy, kanefa notazanin'ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany. 14Ireo olona miteny toy izany dia mampiharihary fa mitady izay ho tanindrazany. 15Ka raha ny tany nialany no nahamanina azy, dia mbola nahita fotoana hiverenana any izy; 16saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an'Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr'izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.

Efa nanamboatra tanàna ho an'ny mino ny Tompo

1- Ho an'ireo maty tamin'ny finoana

Tanisaina eo aloha ireo olo-malaza amin'ny finoana ao amin'ny Testamenta Taloha. Tsy ho diso anjara ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izay niaina sy nitahiry ny finoana. Omen'ny Tompo antoka izay mino fa tsy maintsy ho tonga any an-danitra any amin'ny Tompo. « ary niara napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesoa » (Efes 2,6). I Mosesy dia nahatazana lavitra ny tany Kanana. fa tsy niditra tany (Deo 32,52) fa miandry ny mino rehetra.

2- Ho an'izay maniry ny tsara lavitra

Marim-pototra ny safidin'ny finoan'ny Patriarka. Tsy ilay Kanana ety an-tany no tanjon'ny finoana fa ny hitoetra any amin'Andriamanitra any an-danitra « ny tsara lavitra no iriny » (and 16). Vahiny sy mpivahiny ety an-tany ny mpino fa mponina any an-danitra. Efa mahita ny toerana itodiany ny mpino. Ny fiainan'ny mino izany dia mahita ny tsy hitan'ny maso. Any an-danitra no misy ny fonenana maharitra ho an'ny kristiana fa fandalovana no eto .

3- Satria tsy menatra azy ireo Andriamanitra

Ny tenin'ny Patriarka dia teny faminaniana avy amin' Andriamanitra. Manaiky ho Andriamanitry ny mino sy izay matoky azy ny Tompo (Heb 8, 10 ; Jer 31,33 ; 32,38). Raisiny ho vahoakany ny mino, ary Andriamanitra ho Andriamaniny. Tsy menatra antsika mpanota mibebaka ny Tompo. Izay maniry ny tsara lavitra dia tsy ho menatra mandrakizay satria tsy menatra azy ny Tompo. Malalaka ny toerana ho an'ny mino sady tsy mbola feno araka izay ambaran'ny fampianarana sandoka ankehitriny.

Fanontaniana:
Inona ny antony ilazana fa tsara ny any an-danitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12