samedi 10 novembre 2018

Sabotsy 10 Oktobra 2018 - Isa 66 : 12 - 17

12Fa izao tokoa no lazain'ny TOMPO:
«Indro hotarihiko hankao Jerosalema
ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony;
ny haren'ny firenen-kafa hotarihiko hankao
ka ho tondraka toy ny renirano.
Hikarakara fatratra anareo Aho
toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany
ka mitondra azy eo an-trotroany
sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.
13Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany
no hampiononako anareo koa;
ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!
14Dia ho tsapanareo amin'izany
fa ho dibo-kafaliana ny fonareo,
ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray
tahaka ny ahitra mirobona.»

Hataon'ny TOMPO fantatr'ireo mpanompo Azy ny fahefàny;
fa ho tezitra kosa amin'ny fahavalony Izy.
15Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo,
miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny.
Misafoaka erỳ Izy mampihatra ny fahatezerany
sy ny fandrahonany amin'ny lelafo miredareda.
16Fa amin'ny alalan'ny afo sy ny sabatra
no hitsaran'ny TOMPO ny olombelona rehetra;
ka maro no haringan'ny TOMPO,
17dia ireo mihambo hidio manokana
mba ho afa-miditra ao an-tanimboly
sy hipetraka aorian'ilay eo afovoany,
na koa ireo mihinana henakisoa
sy voalavo mbamin'ny zava-maharikoriko.
Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan'ireny.
Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Ho avy i Jehovah Andriamanitra

1- Manome fiadanana ny Isiraely

Rehefa nofaizina sy nokapohin'i Jehovah ny Isiraely. dia omeny fampiononana. Hampionona ny Isiraely ao Jesosalema Jehovah. Tsy handre ady sy fahoriana ary sabatra ny Isiraely fa omena fiadanana sy filaminana. Tahaka ny renirano tondraka no iavian'ny fíadanana. Tsy hisy firenena hanafika sy handroba ny Isiraely intsony fa ny firenena mitondra ny hareny sy ny voninahiny. Hanjary firenena mahataona olona, itangoranan'izao tontolo izao ny Isiraely noho ny fiadanana omen'i Jehovah azy.

2- Manao fahariana vaovao Andriamanitra
Mampiseho an-tsary Isaia ny fifamatoran'ny famonjena sy ny fahariana vaovao. Tahaka ny olon-dehibe hateraka indray ny Isiraely (and 13). Ao Jerosalema ihany no anovozana ny fiononana. Hateraka indray ny Isiraely izay mangovitra noho ny tenin'i Jehovah (and 5). Hiankina amin'i Jehovah ny fahavelomany sy ny fahasambaranv, tahaka ny zaza vao teraka minono. Mpahary sady Mpamonjy Andriamanitra. Izany no mitondra antsika amin'ny fahatokiana Azy amin'ny físedrana sy ny fahoriana mihatra ankehitriny.

3- Hamaly fitsarana ny mpanota Andriamanitra
Mitsara sy mamaly ny fahotan'izay rehetra nampahory ny vahoakany ny Tompo. Tahaka izany ihany koa no handringanany ny mpanompo sampy sy nandoto ny fívavahany. Afo sy sabatra no handringanany ny mpanompo sampy sy ny vetaveta fahavalon'i Jehovah sy ny Isiraely. Mifalia amin'ny famonjen'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fanantenantsika izany fiadanana izany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12