lundi 14 janvier 2019

Alatsinainy 14 Janoary 2019 - Jer 32 : 36 - 44

36Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. 37Indro ny mponin'ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony. 41Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

42Izao ihany koa no lazaiko: Izaho TOMPO no nahatonga izao loza lehibe rehetra manjo ny vahoakan'i Joda izao. Ary mbola Izaho ihany no hahatonga eo aminy ny soa rehetra izay efa nampanantenaiko azy. 43Hisy fividianana saha indray eto amin'ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an'i Nebokadnetsara. 44Eny, ao amin'ny faritanin'i Benjamîna sy ao amin'ny manodidina an'i Jerosalema, any amin'ny tanànan'i Joda ary koa any amin'ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin'ny lemak'i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin'ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

dimanche 13 janvier 2019

Alahady 13 Janoary 2019 - Lio 23 : 39 - 43

39Ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nihantona teo dia nanevateva Azy ka nanao hoe:
–Tsy Ianao tokoa ve no ilay Mesia? Vonjeo ny tenanao ary vonjeo koa izahay.
40Fa niteny azy mafy kosa ilay faharoa nanao hoe:
–Tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy ve ianao, na dia voaheloka miaraka amin'ity olona ity aza? 41Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin'ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.
42Dia izao no naverimberiny:
–Jesoa ô, mba tsarovy aho rahatrizay ho avy indray Ianao amin'ny maha Mpanjaka Anao.
43Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina aminao fa anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao.

samedi 12 janvier 2019

Sabotsy 12 Janoary 2019 - Oha 9 : 7 - 12

7Izay mananatra ny mpaniratsira dia hahazo fanarabiana;
ary izay manaraka ny olon-dratsy dia ho afa-baràka.
8Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahalainy ianao;
fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9Manomeza ho an'ny hendry, dia hihahendry izy;
ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.
10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena.
Ny fahalalana Ilay Masina no tena fahaiza-manavaka.
11Eny, izaho Fahendrena no mahamaro ny andronao
sy mampahalava ny taona hiainanao.
12Raha hendry ianao, dia tombontsoa ho anao izany.
Fa raha miavonavona kosa ianao,
dia ianao ihany no hilanja ny vokany.

vendredi 11 janvier 2019

Zoma 11 Janoary 2019 - Asa 9 : 26 - 31

26Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin'ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan'ny mpianatra. 27Nalain'i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin'ny apôstôly; dia teo anatrehan'ny apôstôly no nitantaran'i Barnabà ny fomba nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon'ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian'i Saoly nitoriteny tamin'ny anaran'i Jesoa tany Damasy. 28Izay vao afa-nifanerasera tamin'ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin'ny anaran'ny Tompo. 29Niresahan'i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin'ireo hovonoina izy. 30Nony fantatr'ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.

31Nandry feizay ny Fiangonana manerana an'i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin'ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan'ny Fanahy Masina.

jeudi 10 janvier 2019

Alakamisy 10 Janoary 2019 - Lio 13 : 1 - 5

1Tamin'izay dia nisy olona tonga nitantara tamin'i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an'Andriamanitra iny indrindra no novonoin'i Pilato.

2Ka hoy i Jesoa taminy:
–Heverinareo ve fa ireo Galileanina ireo, matoa nozoin-doza toy izany, dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra? 3Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-dratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. 4Ary ny olona 18 maty nianjeran'ny tilikambon'i Silôà, heverinareo ve fa diso mihoatra noho ny mponina hafa rehetra ao Jerosalema? 5Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-ratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

mercredi 9 janvier 2019

Alarobia 09 Janoary 2019 - Sal 25 : 12 - 15

12Raha misy olona manaja ny TOMPO,
dia hotoroany ny làlan-kofidina koa izy.
13Hiaina amim-piadanana izany olona izany;
ary ny taranany no handova ny tany.
14Ireo mpanaja ny TOMPO
no anehoany ny tsiambaratelony,
satria ampahafantariny azy tokoa
izay raketin'ny fanekempihavanany.
15Banjiniko mandrakariva ny TOMPO,
fa Izy ihany no hanafaka ahy
amin'ny harato namandrihana ahy.

Ny olona mahay manavaka

Izay mitandrina amin'ny ataony mba hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra no atao hoe : matahotra an'Andriamanitra. Koa ny olona matahotra an'Andriamanitra dia : 

1 -Tonga mahay manavaka

"Izay no hampianariny izay lalana tokony ho fidiny" (and 12). Mahay misafidy sy mahay manavaka ny lalana tokony hizorany sy ny azony handehanana ny olona matahotra an'Andriamanitra, satria ampianariny. Manana ny Fanahin'ny fahaiza-manavaka, ka mahonon-tena sy mahafantatra ny tsara ataony. Ny olona matahotra an'Andriamanitra no azo antoka fa ialohavan'Andriamanitra lalana. Handroso eo alohanao aho hoy izy (Eks 23 : 23 ; Deo 9 : 3 ; 31 : 3 - 8), ary inoantsika fa ny Fanahy Masina no hitari-dalana izay matahotra Azy ho amin'ny tsara rehetra araka ny sitrapon'Andriamanitra (Jao 16 : 13)

2 - Eken'Andriamanitra ho olo-mahatoky

"Ny fisainan'I Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy" (and 15). Ny hevitr'izany dia hoe : ametrahan'Andriamanitra fitokisany ny matahotra azy, ka ilazany tsiambaratelo sy zava miafina, ary ampandraisiny andraikitra lehibe. Izay mahatoky  amin'ny kely dia ho tendren'ny Tompo ho mpanapaka ny be (Mat 25 : 21 - 23 ; Lio 19 : 17). Ny olona matahotra an'Andriamanitra no ekeny ho mahatoky, ka ataony mpiara-miasa aminy.

Fanontaniana : 
Inona koa no ataon'ny Tompo amin'izay matahotra azy, eo amin'ny andininy 15b?

mardi 8 janvier 2019

Talata 08 Janoary 2019 -Mat 10 : 26 - 33

26–Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo. 29Tsy ampaharoapolon'ny denàry monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany. 31Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

32–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

Andriamanitra irery ihany no tokony hatahorana, fa tsy izay olona mandrahona sy manenjika noho ny finoana. Koa mijora, manana fahasahiana

1 - Asehoy ny marina

Tsy azo atao ny matahotra olona izay mandrahona sy misakana antsika tsy hilaza ny marina. Izany no hevitra azo raisina eo amin'ny and. 26. Hankahala sy hanenjika izao tontolo izao, nefa aza mihemotra amin'izany. Ilaina habaribary koa ny herin'I Kristy sady tsy maintsy toriana sy hambara ny teniny. Raha bangoina ireo dia samy milaza fahamarinana, satria na i Jesoa, na ny teniny dia samy fahamarinana. Koa aza afenina ny marina! Mijoroa, manana fahasahiana, asehoy sy hambarao ny marina fa voahantso sy voafidiny ho vavolombelon'I Kristy ianao!

2 - Matokia fa miaro sy mitsimbina ny Tompo

Ny and 28 - 31 dia fampaherezana sy fanomezan-toky ho an'izay miahotra sy matahotra hijoro ho vavolombelona. Sarotra sy mety ahitan-doza ny fijoroana ho vavolombelona, kanefa manome toky ny Tompo fa hiaro sy hitsimbina. Ny antsipiriam-piainantsika dia fantany, satria ny volondohantsika aza voaisany. Milaza izany fa sarobidy eo anatrehan'ny Tompo isika mpanompony, mihoatra lavitra noho ny voronkely. Koa matokia, ary tsarovy ny teny fanomezan-toky nataony hoe : ''Mpanompoko ianao ka  tsy mba nariako" (Isa 41 : 9)

Fanontaniana :
Moa mifandray ve ny filazana ny marina sy ny fahatahorana ny Tompo, raha ny hevitra aseho eto?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12