mercredi 9 janvier 2019

Alarobia 09 Janoary 2019 - Sal 25 : 12 - 15

12Raha misy olona manaja ny TOMPO,
dia hotoroany ny làlan-kofidina koa izy.
13Hiaina amim-piadanana izany olona izany;
ary ny taranany no handova ny tany.
14Ireo mpanaja ny TOMPO
no anehoany ny tsiambaratelony,
satria ampahafantariny azy tokoa
izay raketin'ny fanekempihavanany.
15Banjiniko mandrakariva ny TOMPO,
fa Izy ihany no hanafaka ahy
amin'ny harato namandrihana ahy.

Ny olona mahay manavaka

Izay mitandrina amin'ny ataony mba hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra no atao hoe : matahotra an'Andriamanitra. Koa ny olona matahotra an'Andriamanitra dia : 

1 -Tonga mahay manavaka

"Izay no hampianariny izay lalana tokony ho fidiny" (and 12). Mahay misafidy sy mahay manavaka ny lalana tokony hizorany sy ny azony handehanana ny olona matahotra an'Andriamanitra, satria ampianariny. Manana ny Fanahin'ny fahaiza-manavaka, ka mahonon-tena sy mahafantatra ny tsara ataony. Ny olona matahotra an'Andriamanitra no azo antoka fa ialohavan'Andriamanitra lalana. Handroso eo alohanao aho hoy izy (Eks 23 : 23 ; Deo 9 : 3 ; 31 : 3 - 8), ary inoantsika fa ny Fanahy Masina no hitari-dalana izay matahotra Azy ho amin'ny tsara rehetra araka ny sitrapon'Andriamanitra (Jao 16 : 13)

2 - Eken'Andriamanitra ho olo-mahatoky

"Ny fisainan'I Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy" (and 15). Ny hevitr'izany dia hoe : ametrahan'Andriamanitra fitokisany ny matahotra azy, ka ilazany tsiambaratelo sy zava miafina, ary ampandraisiny andraikitra lehibe. Izay mahatoky  amin'ny kely dia ho tendren'ny Tompo ho mpanapaka ny be (Mat 25 : 21 - 23 ; Lio 19 : 17). Ny olona matahotra an'Andriamanitra no ekeny ho mahatoky, ka ataony mpiara-miasa aminy.

Fanontaniana : 
Inona koa no ataon'ny Tompo amin'izay matahotra azy, eo amin'ny andininy 15b?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12