mardi 8 janvier 2019

Talata 08 Janoary 2019 -Mat 10 : 26 - 33

26–Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo. 29Tsy ampaharoapolon'ny denàry monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany. 31Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

32–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

Andriamanitra irery ihany no tokony hatahorana, fa tsy izay olona mandrahona sy manenjika noho ny finoana. Koa mijora, manana fahasahiana

1 - Asehoy ny marina

Tsy azo atao ny matahotra olona izay mandrahona sy misakana antsika tsy hilaza ny marina. Izany no hevitra azo raisina eo amin'ny and. 26. Hankahala sy hanenjika izao tontolo izao, nefa aza mihemotra amin'izany. Ilaina habaribary koa ny herin'I Kristy sady tsy maintsy toriana sy hambara ny teniny. Raha bangoina ireo dia samy milaza fahamarinana, satria na i Jesoa, na ny teniny dia samy fahamarinana. Koa aza afenina ny marina! Mijoroa, manana fahasahiana, asehoy sy hambarao ny marina fa voahantso sy voafidiny ho vavolombelon'I Kristy ianao!

2 - Matokia fa miaro sy mitsimbina ny Tompo

Ny and 28 - 31 dia fampaherezana sy fanomezan-toky ho an'izay miahotra sy matahotra hijoro ho vavolombelona. Sarotra sy mety ahitan-doza ny fijoroana ho vavolombelona, kanefa manome toky ny Tompo fa hiaro sy hitsimbina. Ny antsipiriam-piainantsika dia fantany, satria ny volondohantsika aza voaisany. Milaza izany fa sarobidy eo anatrehan'ny Tompo isika mpanompony, mihoatra lavitra noho ny voronkely. Koa matokia, ary tsarovy ny teny fanomezan-toky nataony hoe : ''Mpanompoko ianao ka  tsy mba nariako" (Isa 41 : 9)

Fanontaniana :
Moa mifandray ve ny filazana ny marina sy ny fahatahorana ny Tompo, raha ny hevitra aseho eto?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12