lundi 14 janvier 2019

Alatsinainy 14 Janoary 2019 - Jer 32 : 36 - 44

36Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. 37Indro ny mponin'ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony. 41Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

42Izao ihany koa no lazaiko: Izaho TOMPO no nahatonga izao loza lehibe rehetra manjo ny vahoakan'i Joda izao. Ary mbola Izaho ihany no hahatonga eo aminy ny soa rehetra izay efa nampanantenaiko azy. 43Hisy fividianana saha indray eto amin'ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an'i Nebokadnetsara. 44Eny, ao amin'ny faritanin'i Benjamîna sy ao amin'ny manodidina an'i Jerosalema, any amin'ny tanànan'i Joda ary koa any amin'ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin'ny lemak'i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin'ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12