dimanche 7 mars 2021

Alahady 07 Martsa 2021 - Gen 22 : 11 - 20

 11Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe:

–Abrahama ô! Abrahama ô!

Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy:

–Inty aho.

12Dia hoy indray ilay anjely:

–Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. 14Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»

15Ary ny anjelin’ny TOMPO niantso an’i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra 16ka nanao taminy hoe:

–Izao no lazain’ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako 17fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony. 18Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.

19Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.

20Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:

samedi 6 mars 2021

Sabotsy 06 Martsa 2021 - I Pet 4 : 12 - 19

 12Ry hava-malala, aza gaga amin’ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin’ny maha mpianatr’i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona; 16fa raha amin’ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

17Tonga ny fotoanandro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina:

«Raha saika tsy voavonjy ny marina,

inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»

19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin’Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

vendredi 5 mars 2021

Zoma 05 Martsa 2021 - Asa 9 : 20 - 31

 Niara-nitoetra mandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tany Damasy i Saoly. 20Tsy nangataka andro i Saoly fa nitoriteny tao amin’ny sinagôga, nanambara fa i Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra. 21Dia talanjona ny olona rehetra nandre azy ka nanontany hoe:

–Tsy ity lehilahy ity indrindra ve no mpanenjika lozan-tany an’ireo niantso ny anaran’i Jesoa tany Jerosalema? Ary ny anton-diany atỳ, moa ve tsy ny hamatotra ny olona toy izany sy hitondra azy mankany amin’ny lohandoha-mpisorona?

22Vao mainka feno hery ny toritenin’i Saoly: nasehony marimarina fa i Jesoa no Mesia, hany ka resy lahatra ny Jiosy mponina tao Damasy.

23Rehefa afaka andro maromaro, dia niara-nioko hamono an’i Saoly ny Jiosy; 24saingy nampahafantarina an’i Saoly mialoha izany fiokoana izany. Nambenan-dry zareo Jiosy andro aman’alina ny vavahadin’ny tanàna mba hamonoana an’i Saoly. 25Kanjo nalain’ny mpianatra i Saoly indray alina, dia nataony tao anaty sobika, ary nampidininy tany ivelan’ny manda.

26Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin’ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan’ny mpianatra. 27Nalain’i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin’ny apôstôly; dia teo anatrehan’ny apôstôly no nitantaran’i Barnabà ny fomba nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon’ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian’i Saoly nitoriteny tamin’ny anaran’i Jesoa tany Damasy. 28Izay vao afa-nifanerasera tamin’ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin’ny anaran’ny Tompo. 29Niresahan’i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin’ireo hovonoina izy. 30Nony fantatr’ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.

31Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.

jeudi 4 mars 2021

Alakamisy 04 Martsa 2021 - Mar 10 : 17 - 27

 17Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe:

–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?

18Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»

20Fa hoy ralehilahy taminy:

–Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin’ny fahatanorako!

21Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe:

–Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.

22Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karembe.

23Fa i Jesoa kosa nijerijery manodidina azy ka niteny tamin’ny mpianany hoe:

–Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!

24Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 25Moramora kokoa ny idiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

26Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe:

–Ka iza àry no mety ho voavonjy?

27Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:

–Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

mercredi 3 mars 2021

Alarobia 03 Martsa 2021 - Jer 12 : 1 - 3

 1TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao

ka tsy tokony mifandahatra aminao aho.

Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto

dia te hiady hevitra aminao aho.

Nahoana no ahitam-pahombiazana

ny lalana ombàn’ny olon-dratsy?

Ary nahoana no miadam-pinaritra

ireo rehetra mpivadika aminao?

2Nambolenao izy dia niorim-paka,

ka nitombo sy namoa.

Tononin’ny vavany Ianao,

fa ataony lavitry ny fony.

3Ianao kosa, TOMPO ô,

mahalala ahy sady mahita ahy;

nizaha toetra ny foko Ianao

fa miandany aminao izy.

Avaho toy ny ondry hovonoina

ireny olona ratsy fanahy ireny,

atokany ho amin’ny andro fandringanana.

mardi 2 mars 2021

Talata 02 Martsa 2021 - II Kor 1 : 3 - 7

 3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon’ny fampaherezana rehetra. 4Mampahery anay amin’ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian’ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin’i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin’ny alalan’i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin’izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.

lundi 1 mars 2021

Alatsinainy 01 Martsa 2021 - Deo 12 : 2 - 6

2Mety hisy mpaminany na mpahita mipoitra eo anivonareo ka hilaza famantarana na zava-mahagaga aminareo. 3Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo, 4dia aza henoinareo ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ianareo. 5Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. 6Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin’ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin’ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin’ny sori-dàlana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12