17Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe:
–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?
18Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»
20Fa hoy ralehilahy taminy:
–Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin’ny fahatanorako!
21Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe:
–Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.
22Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karembe.
23Fa i Jesoa kosa nijerijery manodidina azy ka niteny tamin’ny mpianany hoe:
–Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!
24Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 25Moramora kokoa ny idiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
26Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe:
–Ka iza àry no mety ho voavonjy?
27Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:
–Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.